Socio-eco

MPAMPIASA SY MPIASA MPANDOA LATSAKEMBOKA AO AMIN’NY CNAPS: Miantso ny fanjakana hanendry ny Tale Jeneraly vaovao


Miankina amin’ny tale jeneraly ny zava-drehetra. Mangataka ny fiverenan’ny fampanandehanan-draharaha, faran’izay haingana, eo anivon’ny CNAPS ny solontenan’ny mpampiasa sy mpiasa mivondrona ao amin’ny GEM, FIVMPAMA, SIM, GEFP ary ny Confédération des Travailleurs de Madagascar (CTM). Mitaky ihany koa ireto mpiaramiombon’antoka amin’ny CNAPS fa maika ny fanendrena Tale Jeneraly (DG) vaovao. « Mila mitady vahaolana malaky fa lasa mijaly ireo mpisitraka, mpandray fisotroan-dronono.  Tsy hiodina ny CNAPS noho fihanahan’ny fanjakana amin’ny  fanendrena DG. Sokafo ny birao fa iankinan’ny fiainan’ny  mpiasa mpandoa latsakemboka », hoy Marimbeloson William, Mpandrindra ny CTM, nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny zoma 14 jolay 2023, teny Ambohijatovo. Nambarany fa tsy misy antony haha ela ny fanendrena DG  satria « tsy vao izao no nisy io olana io ». «Ny Tale Jeneraly no manana fahefana mampiodina ny rafitra iray manontolo ao amin’ny  CNAPS, mibaiko ny fampidirambola sy famoaham-bola. Miandry ny fanendrena ny Tale Jeneraly vao miala ireo restrictions budgétaires rehetra », hoy Randianasolo José, Filohan’ny ny filankevimpitantanan’ny (PCA) CNAPS. Araka ny lalànan’ny fiahiana ara-tsosialy, ny filankevimpitantanana no manolotra olona ho Tale Jeneraly ary ny fanjakana, amin’ny filankevitry ny ministra kosa no misafidy izay tokony handray izany  toerana izany. Nilaza izy fa tsy mbola nandalo teo amin’ny filankevimpitantanana ny fangatahambola 20 miliara Ariary ho ampiasaina amin’ny lalaon’ny Nosy, izay niteraka resabe.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *