Socio-eco

MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: Haverina tsy ho ela ireo “police de la route”


Hisy ny lamina vaovao. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka androany 31 desambra 2019 teny Anosy. “Taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny Praiministra Lehiben’ny governemanta, omaly 30 desambra  2019 tao amin’ny kaomisaria foibe tao Tsaralalana, nandinihana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, indrindra ny eto Antananrivo, manoloana fanomezana alalana indray avy amin’ny Praiministra ny hamerenana indray ny “police de la route” ho an’ireo polisy nasionaly dia manao izao fanambarana  manaraka izao ny rafi-pitantanana eto amin’ny ministera: haverina tsy ho ela ny police de la route ho an’ireo sampandraharaha rehetra manerana ny Nosy”, hoy ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka, Commissaire principal de police Ainanirina Albert Estel.

 Araka ny fanampim-panazavana nomen’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, Commissaire divisionnaire Rakotozanany Dany Marius fa hisy ny fomba fiasa vaovao eo anivon’ny fibaikoana amin’ny fitantanana ny “police de la route” izay maha be resaka ary ao anatin’ny fotoana fohy dia ho hampahafantarina izany mba hitandremana, tsy hiverenan’ny kolikoly na ny fomba ratsy taloha. “Ho avoaka tsy ho ela izay lamina izay ary hisy ny birao mandray ireo fitarainana momba ny fifamoivozana sy ny  verbalisation. Raha misy olona voasazy, manana fiche de contravention, manana zo izy hanazava ao amin’io birao io”, hoy izy. Varavarana 117 ao amin’ny kaomisaria foibe ao Tsaralalana no hahitana izany raha eto Antananarivo renivohitra. Ho fisorohana mialoha ny fihetsika rehetra mifanohitra amin’ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana  anatiny takiana amin’ny asa maha polisy no anton’io lamina vaovao io, hoy hatrany Commissaire principal de police Ainanirina Albert Estel. “Hamafisina fa na dia sarotra aza ny ady amin’ny kolikoly dia tsy hilefitra manoloana izany ny ministera ary handray avy hatrany ny fepetra mifanandrify amin’izany”. Arak’izany dia miantso ny fahatsiarovan-tena sy ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena tsirairay mba hifanome tanana hiady sy hanohitra ny kolikoly an-dalam-be ny eo anivon’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *