Socio-eco

MANABOOST: Tranokala mampiseho ireo antontan-kevitra, voka-pikarohana, horonantsary momba ny fampiharana ny Agroécologie eto Madagasikara


Efa betsaka ny mpisehatra  sy tetikasa manaparitaka ny fomba fambolena maharitra na «agroécologie» eto Madagasikara noho io teknikam-pambelana miaro ny tontolo iainana, mampiasa ny zava-misy eo an-toerana, miala amin’ny fampiasana akora simika kanefa ahazoana taham-pamokarana ambony. Mbola tsy ampy anefa ny fampahafantarana io teknika io sy ny vokatsoa amin’ny fampiasana azy. Ho fanamafisana ny ezaka efa nataon’ny GSDM (matihanina amin’ny Agroécologie) amin’ny fanaparitahana ny fomba fambolena maharitra dia noforonina ny tranokala ManaBoosT (www.manaboost.net ). Miara-miasa amin’ny ivon-toeram-pikarohana momba ny fambolena CIRAD izy amin’ny  famolavolana ny tranokala.

Nampahafantarina nandritra atrikasa, notanterahina ny 25 aprily 2023 teny Anosy ny fisian’ny ManaBoosT. Hita ao anatin’ny tranokala avokoa ireo mpisehatra sy ny tetikasa ataon’izy ireo mifandraika amin’ny  fomba fambolena maharitra.  Aseho ao ihany koa ireo antontan-kevitra toy ny voka-pikarohana, antontan’isa, taosarintany iasan’ny tetikasa, horonantsary manazava ny tetikasa na ny teknika momba ny agroécologie, ny vokatsoa amin’ny fampiasana azy… «Ahafahana mifampizara antontan-kevitra momba ny agroécologie ny tranokala ManaBoosT. Ho fampahafantarana ny tetikasa, ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, ny zava-misy sy ny fandrosoan’ny agroécologie eny an-toerana ihany koa», hoy Raharison Tahina, manam-pahaizana manokana momba ny fambolena sy ny toekarena (Agroéconomiste) ao amin’ny GSDM. Nambarany fa anisany sarotra eto amintsika ny fizarana fahalalana.  «Ahy ity antontan-kevitra ity dia ahy manokana kanefa  ny fizarana  izany dia anisany fampandrosoana lehibe iray.  Anisany  mbola zava-baovao ho an’ny maro an’isa ny ihany koa ny agroécologie ka ilaina ny fizarana vaovao momba izany, ny  fampahafantarana ny ataon’ny tsirairay», hoy izy.

Araka ny fanazavan’ny Tale Mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana fa «tsy fambolena fotsiny, na tontolo iainana fotsiny ny agroécologie fa ao anatiny ny fahampiana sakafo, ny fanjarian-tsakafo ka ministera sy mpamatsy vola be dia be no tokony hifampiresaka».  Noho izany, hanampy ny mpanapa-kevitra ny vaovao hita ao amin’ny ManaBoosT hoy izy. «Fantatra ihany koa hoe: iza no miasa aiza? » Marihina fa efa nisy ny sehatra iray antsoina hoe: MANAMORA nataon’ny GSDM, nampahafantarana ireo antontan-kevitra momba ny «agroécologie» fa nohatsaraina kokoa izany tamin’ny alalan’ny ManaBoosT toy ny fametrahana taosarintany, horonantsary…

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *