politique

KANDIDA BEN’NY TANANA RANDRIANARISOA PENJY: “Azo atao tsara ny manarina ny tanàna rehefa ao aminao ny finiavana”


Mbola mametraka fitokisana amin’ny Randrianarisoa Penjy  ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara) ka nanolotra azy indray ho kandida ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina Ivato. Tafapetraka androany 06 septambra 2019 teny amin’ny OVEC Ambohidratrimo ny antontan-taratasin’ity kandidà ben’ny tanàna ny kaominina Ivato ity sy ny an’ireo mpanolontsaina. Raha ny fanazavan’ny tomponandrakitry ny OVEC dia kandida fahatelo nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo, i Randrianarisoa Penjy. « Ny nahatonga ahy mbola hirotsaka indray dia tsy vita tao anatin’ny efa-taona ny fanarenana ny kaominina Ivato satria na dia maro aza ny ezaka natao dia mbola misy ireo pitsopitsony izay tsy maintsy mbola ho tanterahana, toy ny fanamboarana lalan-kely maro », hoy kandida ho ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy nanazava ny antony hilatsahany ho fidiana indray ao amin’ny kaominina Ivato. Nambarany  fa tsy manana fahavalo na iza na iza ny tenany fa « ny fahantrana ny fahavalontsika ». Noho izany, « miantso fifanomezan-tanana amin’ny  antoko rehetra izay vonona hanohana, hiara-hisalahy amin’ny tena amin’ny fanarenana izany kaominina Ivato izany ».

Zava-bita

RANDRIANARISOA PENJY 1Nahavitana asa fampandrosoana avokoa ny isam-pokontany tao anatin’ny efa-taona. Nambarany fa ny vahoakan’Ivato sy i Madagasikara no miara-mahita ny asa fampandrosoana vita tao amin’ny kaominina. Anisan’izany ny fahavitàn’ny tranom-pokonolona miisa roa, EPP miisa roa ahitàna efitra enina, ny tsena, CSBII , ny lalan-kely mirefy 15 km  izay tonga hatrany tanimbary ary vita beton sy goudron. Nentina nanatanterahana ny asa ny fanampiana avy amin’ny fanjakana, ny vola miditra amin’ny kaominina ary ny fiaraha-miasa amin’ireo malala-tanana. Ankoatra izany, tsy mandeha lavitra intsony ny beantitra maka ny fisotroan-dronono satria noho fangatahan’ny kaominina dia nahazo birao hiasan’ny ratsa-mangaikan’ny  tahirim-bolam-panjakana eny Ivato.Tsy adino tamin’ny fampandrosoana ihany koa ny fanomezana rano fisotro madio, ny fampidirana jiro hanazavana ny tanana,  ny asa sosialy maro, nanampiana ireo ankizy, tanora sahirana sy ireo mpanao fanatanjahantena ary ny beantitra. Nanamafy ity kandida ben’ny tanana natolotry ny TIM ity fa « azo atao tsara ny manarina ny tanàna rehefa eo aminao ny finiavana, rehefa mitantana ny tanàna dia tsy asiana resaka fanavakavahana politika […]Azo atao tsara ny manarina ny firenena rehefa ao aminao ny finiavana hanao ny asa ». Aorian’ny fifidianana ben’ny tanàna, ny 27 novambra 2019 no hamaritra ny tohiny ny tantara.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *