Socio-eco

IFRP FENO 25 TAONA : Gazety Hay no tsangambato


Hankalaza ny Jobily volafotsy faha 25 taona ny “Institut de Formation et de Recherches Pédagogiques” (IFRP) Ambodinandohalo amin’ity taona 2023 ity. Ny mponina fahiny eto an-dreniohitra moa dia niantso ity sekoly ity hoe « Razafindrahety » noho io sekoly io nianaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III. Ho an’izay tsy nahafantatra izany dia ilay trano sekoly protestantra manoloana ny katedraly katolika Andohalo.

IFRP 2“… Fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo. ». Io andala-tSoratra Masina nosintonina tao amy ny epistily faharoa toko fa 12 andininy faha 19 nosoratan’i Md Paoly ho an’ny Kristiana tany Korinto io no Faneva hibanjinana ny fankalazana. Mifarimbona amy fanatanterahana izany Jobily izany ny Foibe FJKM, ny Sekretaria Jeneraly, ny Komity Mitantana ny IFRP, ny Komity Jobily Volafotsy.

Gazety “Hay”.

Anisan’ny tsangambaton’ny Jobily ny famoahana gazety boky “Hay” an’ny Ivotoerana, ka isan’efabolana no fanatontana izany. Hisy koa fanitarana sy fanatsarana ny fotorafitrasa ka hisy efitra fianarana vaovao mirefy 8m x 7m. Maro ny hetsika ho tanterahana, ka ny fanokafana dia ho marihana amy fotoam-pivavahana ho fisaorana sy ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Ny Alahady 12 marsa tolakandro amy 2 ora sy sasany no hanaovana izany. Hitohy amy symposium sy tsenaben’ny sekoly ary sakafon-jobily izany.

Rafitra LMD.

Herintaona no faharetan’ny fianarana tany am-piandohana ary 18 no isan’ny promotion voalohany. Ankehitriny kosa dia miisa 200 mahery ny mpianatra ary maharitra telo taona ny fiofanana. Fanomanana mpampianatra taranja siantifika sy literera manana marimpahaizana Licence manaraka ny rafitra LMD. Mihoatra ny arivo ny fitambaran’ireo nahavita fiofanana ary nivoaka sy nirahina arakan’ny fomban’ny FJKM tao Antsahamanitra niaraka tamin’ny famoahana pitandrina nandritra izay 25 taona izay. Mitotaly 60 ny mpampiofana ankoatra iro mpandraharaha ao ammy ny Ivotoerana ankehitriny.

Ny Dr ANDRIAR Samuel, Maître de Conférences en Sciences de l’Education, no Tale amperinasa mitantana ny Ivotoerana IFRP.

Nanangona RAZAKA Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *