Socio-eco

GSDM: Notanterahina tao amin’ny faritra Itasy ny andro natokana ho an’ny « agroécologie »


Efa tsy azo ialàna intsony ny “agroécologie”. Nikarakara andro natokana ho an’ny “agroécologie”, tao amin’ny faritra Itasy, ny 27 sy 28 martsa 2024 ny GSDM. Ijerena ny vokatry ny fampiharana ny fomba fambolena maharitra na “agroécologie” ao Miainarivo sy vokatsoa ho entin’izany amin’ny fampandrosoana ny tantsaha sy ny toekarena no anton’izany. Nanampy tamin’ny fanatanterahana ny JAE ny tetikasa ALEFA Agroécologie sy ny GIZ. Nandray anjara tamin’ny andro natokana ho an’ny “agroécologie” ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tetikasa ALEFA Agroécologie, toy ny mpianatra, mpampianatra, talen-tsekoly, tantsaha, fikambanana  sy ivon-toeram-pampiofanana, teknisianina,  mpiara- miombon’antoka amin’ny tetikasa, ny manam-pahefana ao an-toerana. “Andro iarahantsika mifampizara, mifampidinika, mifampizara traikefa, mijery manokana ny atao hoe: Agroécolgie, inona ny ho entiny izany  amin’ny fampandrosoana ity. Manana ady mitovy isika: ady ho an’ny fahantrana, tsy fanjariantsakafo, ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ny fiovan’ny toetrandro, ady ho an’ny fampandrosoana maharitra sy ho an’ny taranaka. Mananan anjara toerana amin’ireo ady ireo ny agroécologie ka tokony hiditra amin’ny politikam-panjakana”, hoy i Raharison Tahina,Tale mpanatanteraky ny GSDM, nandritra fanokafana ny andro natokana ho an’ny “agroécologie”, ny 27 martsa 2024, tao amin’ny CEG Igararana Miarinarivo. Notsidihana nandritra  ny andro voalohany tamin’ny JAE ny saha sekoly nanaovan’ny mpianatry ny CEG Igararana fampiharana momba ny “agroécologie”, ny sahandriaka Amboara, Andoharano sy ny toeram-pambolena ao Fiadanana izay nanaovan’ireo tantsaha mpisitraka fampiharana momba ny fambolena maharitra. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny ala tapia tao Ambohimitarona, niarahana tamin’ny tetikasa TAPIA sy fijerena ireo vala nanaovana andrana momba ireo teknikam-ambolena maharitra tao amin’ny ivon-toeram-pampiofanana  momba ny fambolena (CRFPA) Antanetimboahangy  ny tapak’andro marainan’ny  andro faharoa. Nofaranana tamin’ny atrikasa tao amin’ny tranom-pokonolona Miarinarivo, ny andro natokana ho an’ny agroécologie tao Itasy. Fifampizarana traikefa no natao tamin’izany.

Misedra olana noho ny fiovan’ny toetrandro ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy trondro ao amin’ny faritra Itasy. Ny tany lasa ngazana, tsy fantatra intsony ny fotoana hamafazana voa,  tsy ampy ny rano na tsy misy mihitsy aza. Hany ka lasa mamokatra iadiana amin’ny fiainana izy ireo fa tsy mamokatra ho an’ny fampandrosoana ny tokantrano sy toekarena. Vahaolana naroso ho azy ireo ny fampiharana ny “agroécologie” na fomba fambolena maharitra. Fitambarana teknikam-pambolena miaro ny tontolo iainana, mampihena ny fandaniana ampiasaina amin’ny fambolena kanefa mampikatra taham-pamokarana ny “agroécologie”. Anisany teknika ampiasaina ohatra ny voly rakotra na fambolena zavamaitso mamerina ny tsiron’ny tany, mampihenaa ny fiasàna ny tany toy ny mucuna, cajanus…; ny fampivadiam-boly na fampiarahana voly sy zavamaitso (ohatra: katsaka sy mucuna); ny fambolen-kazo haingam-pitombo… Manampy ny tantsaha amin’ny fampiharana izany ny tetikasa ALEFA Agroécologie. Mamatsy vola ny tetikasa ny Agence Française de Développement (AFD). Ny APDRA Pisciculture paysanne no misahana ny tetikasa ary manampy azy amin’ny fanatanterahana azy ny GSDM, ny FIFATA ary ny Coeur de Forêt. Amin’ny maha matihanina ny GSDM amin’ny “agroécologie” dia anjara asany ao amin’ny tetikasa ny fanomezana tantsoroka ny tantsaha momba ity teknikam-pambolena maharitra ity. Sahan’asa ao anatin’ny tetikasa ihany koa ny fampidirana ny “agroécologie” anaty fandaharam-pianarana ka ity vovonana ity no miandraikitra izany. Ho an’ny faritra Itasy, kolejy miankina amin’ny fanjakana miisa efatra (04) ao Miarinarivo  (CEG ao  Ambatomanjaka, Mandiavato, Igararana, Antanetimboahangy) no ampianarana ny  fomba fambolena maharitra.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *