Mangataka fanitsiana. Nanatanteraka kongresy ny mpandrefy tany mpahay raha manao asa tsy miankina eto Madagasikara ( Géomètres experts privés de Madagascar) ny 25 Martsa 2021 teny anosy. « Mba tsy hisian’ny fisaraham-bazana eo aminay géomètres experts manao asa mahaleo tena ary tsy hisian’izany eo  amin’ireo namanay ao amin’ny géomètres mpiasam-panjakana dia mangataka ny hamerenana ny là lana laharana 03-2020/PL any amin’ny fivoriam-be ho atao rahampitso Zoma 26 Martsa 2021 eny amin’ny CCI Ivato izahay », hoy ny filohan’ny kongresin’ny géomètres experts privés, Raharimandimbiraibe Pierrot. Io là lana io dia efa lany teny amin’ny antenimierampirenena ny 03 Novambra 2020 ka efa eny amin’ny antenimierandoholona ankehitriny. Tsy maintsy mandalo fivoriam-be tsy ara-potoana na fivoriam-be ara-potoana ny fandrafetana là lana na fanitsiana là lana mifehy azy ireo araka ny là lana laharana 2011-005 tamin’ny 01 Aogositra 2011 andininy 21-22-23. Noho izany dia mangataka an’ireo loholon’i Madagasikara izy ireo mba handray izay tapaka sy eken’ny rehetra eny amin’ny fivoriamben’ny mpandrefy tany amin’ny mety ho fanitsiana io là lana N°03-2020/PL io. Raha nambaran’izy ireo hatrany dia tsy nifampierana ny famolavolana io là lana io fa ny géomètre, mpiasam-panjakana ao amin’ny « topo » no nanao io volavolan-dà lana izay efa lany teny amin’ny antenimierampirenena io. Ny fiantraikan’io là lana N°03-2020/PL io raha toa ka tsy ahitsy dia afaka mifaninana ny géometres experts privés ny géometre mpiasam-panjakana kanefa izy ireo efa mpiasam-panjakana mandray karama sy tombotsoa isan-karazany any amin’ny fanjakana. Nomarihan’i Raharimandimbiraibe Pierrot fa ny géomètres experts privés dia mandoa hetra amin’ny maha tsy miankina azy ary ny asa ataony no miantoka ny karama raisiny. Manafoana tanteraka ny là lana N°2011-005 tamin’ny 01 aogositra 2011 mifehy ireto géomètres experts privés ireto ity là lana N°03-2020/PL ity, hoy hatrany izy.
Ra-Nirina
Pingback: GEOMETRES EXPERTS PRIVES DE MADAGASCAR : Hitondra volavolam-panitsiana ho an’ ilay là lana N°03-2020/PL. - ewa.mg