Socio-eco

FIKAMBANANA PORTE BONHEUR : Nizara fitaovam-pianarana ampiasaina mandavan-taona ho an’ny mpianatra 400 ao amin’ny EPP Ambodivondava


Mizara fahasambarana.  Na dia efa lasa ny fidiran’ny mpianatra dia tsy mbola feno ny fitaovam-pianaran’ny zanak’i Pascaline, renim-pianakaviana mipetraka ao Ambodivondava, kaominina Alasora. Ny kahie no tena olana aminy satria lafo loatra, araka ny fanazavany. Lasa mividy tsikelikely amin’izay karama azony izy. Fitaomana biriky no nandoavany  ny saram-pisoratana anarana an’ireo zanany roa mianatra amin’ny EPP Ambodivondava. Nitondra hafaliam-po ho azy sy ny zanany ny fanomezana natolotry ny fikambanana Porte Bonheur. “Misaotra anareo nanome fa hanampy ny zanako hiezaka amin’ny fianarany ireto fanomezana ireto. Misaotra ihany koa tamin’ny sakafo nomenareo”, hoy i Pascaline. Hetsika fanaon’ny fikambanam-behivavy Porte Bonheur ny asa sosialy atao amin’ireo EPP ao amin’ny kaominina Alasora. Ny EPP Ambodivondava no nosafidian’ny mpikambana hanaovana izany ho an’ny fidiran’ny mpianatra 2023. Nahazo ny anjarany ihany koa ny ray man-drenin’ny mpianatra sy ny mpampianatra. “Mpianatra 400 no nisitraka fanomezana. Na dia efa lasa aza ny fidiran’ny mpianatra dia miezaka manolotra fitaovana ampiasain’ny mpianatra mandavan-taona izahay, ansian’izany ny  stylo 4 loko, crayon, crayon de couleur. Nomena biscuit ihany koa ireo mpianatra”, hoy i Randriantsoa Mireille, Filohan’ny fikambanana, ny 27 oktobra 2023. Efa nahafantarana ny fikambanana hatramin’izany ny fizarana “panier garni”. Menaka tapaky ny litatra sy paty “spaghetti” iray fonosona no natolotra ho an’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Niampy vary kosa izany ho an’ny mpampianatra.

 Fandrasaina anjara avy amin’ny mpikambana sy tolo-tanana avy amin’ny namana no nahafahan’ny Porte Bonheur nanatanteraka izao asa sosialy izao, araka ny fanazavan’i Randriantsoa Mireille hatrany. Nomarihany fa tokony tamin’ny volana jona no saika hanaovan’ny fikambanana ity hetsika ity fa nisalasala ny Talen-tsekoly fa sao resaka politika.  Nanaiky ihany izy ny farany rehefa nohazavaina taminy fa tsy manao politika ny fikambanana fa ny fitiavana no manosika azy hizara fahasambarana ho an’ny mpiara-belona. In-telo na in’efatra isan-taona ny fikambanana no manao asa sosialy. Ampandinihana ny EPP hanaovana ny hetsika ho an’ny noely ny mpikambana amin’izao fotoana izao.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *