Socio-eco

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Afaka miaraka ny fiarovana ny tontolo ianana sy ny kolotsaina


Misokatra ny fiantsoana tetikasa ara-kolotsaina karakarain’ny FAPBM ( la Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar) sy ny « la Teinturerie – Association d’artiste ». Andiany fahatelo ny tetik’asa « Zavakanto sy ny karazanjavamananaina » amin’ity taona 2024 ity. Nampahafantarina sy nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Teinturerie Ampasanimalo ny 22 may 2024 ity fiantsoana tetik’asa ara-kolotsaina ity. Mifandraika sy noho ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny zavamananaina (JIB) ny 22 may ny nanaovana ity fifaninana iray ity. Ny taona 2022  no niatombohany ary nisy isan-taona izany. « Ny zavakanto dia fitaovana matanjaka hanentanana ny rehetra, indrindra ny tanora momba ny zavamananaina sy ny faritra arovana. Ny mpahay zavakanto dia afaka mampita hafatra mafonja hanentanana ho amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fivondronana ho amin’ny fikolokoloina ny tontolo iainana misy antsika », hoy i Anjara ralaiarijaona , mpiandraikitra ao amin’ny La teinturerie.

Tahaka ireo andiany roa voalohany dia naka lohahevitry ny JIB 2024 ny tetik’asa. « Miasa miaraka ho an’ny karazanjavamananaina ». Antso avo ampitsaharana sy hamerenana ny karazanjavamananaina very. Mamporisika ny manan-talenta hikaroka ny fifandraisan’ny karazanjavamananaina sy ny fiainan’ny olombelona ity fifaninana ity. Ezahan’ireo mpifaninana avoitra bebe kokoa ny momban’ny harena tena ilaina, toy ny rano, ny angovo ary ny sakafo.

Azon’ireo maniry hanao ity tetik’asa ny mijery ireo fepetra rehetra ao amin’ny tranokalan’ny FAPBM ( www.fapbm.org/appel-doffres/ ). Mifarana ny 07 Jolay 2024 ny fandraisana anjara. Hambara amin’ fomba ofisialy sy ampahibemaso ny faran’ny volana jolay 2024 ireo tetik’asa telo mendrika indrindra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *