Socio-eco

FARITRA ARA-TOEKARENA MANOKANA: Somasoma


Mpandraharaha avy any firenena enina tonga nanatrika ny fivoriana iraisam-pirenena faharoa ho an’ny fampiasam-bola stratejika any amin’ny faritra Avaratr’i Madagasikara (Conférence Internationale sur les investissements stratégiques du Nord de Madagascar ). Ankoatra ny mpandraharaha Malagasy, liana amin’ny fananganana faritra ara-toekarena manokana (ZES) any amin’ny lemak’i Andrakaka, faritany Antsiranana ireo mpandraharaha avy any Chine, Japon, Turquie, Nosy Maorisy, Frantsa.
Nandritra ny efatra andro no nanatanterahana ity fivoriana faharoa ity. Nifarana tamin’ny zoma 23 febroary 2018 teo izany. Tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra mivaingana hirosoana amin’ny fananganana ny faritra ara-toekarena manokana (ZES). Fifanakalozan-kevitra ihany no nitranga nandritra ny efatra andro raha toa ka nikasa hamolavola teti-andro sy teti-bola hanamboarana ireo foto-drafitra asa toy ny seranam-piaramanidina, seranan-tsambo lehibe, famokarana angovo azo havaozina…
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *