Socio-eco

Fanomezana avy amin’ny UNESCO sy ny OJM : Tsy diso anjara ny Olondia Corporation sarl


Nanao izay ho afany ny OJM na ny holafitry ny mpanao gazety nitady mpiara-miombon’antoka ho amin’ny fiahiana sy fanampiana ny mpanao gazety tsy ankanavaka ho amin’ny fampitaovana azy ireo, manoloana indrindra ny fiatrehana ity covid19 ity.

Nifanojo tamin’ny UNESCO ry zareo OJM tamin’ny alalan’ny filohany Rakotonirina Gérard sy ny birao miara-miasa aminy, ka nizara arotava sy gel hydroalcoolique ho an’ny mpanao gazety. Anisan’ny nipitihan’ny menaka tamin’izany ny orinasan-tserasera Olondia Corporation sarl, koa manantitra ny fisaorana anareo tompoko izahay.

Tsy eto Antananarivo ihany no hanaovana izao hetsika izao fa amin’io herinandro ho avy io dia ho any amin’ny faritra ireto mpikambana ao amin’ny Biraon’izy ireo ireto.


One comment on “Fanomezana avy amin’ny UNESCO sy ny OJM : Tsy diso anjara ny Olondia Corporation sarl

  1. Pingback: Fanomezana avy amin’ny UNESCO sy ny OJM : Tsy diso anjara ny Olondia Corporation sarl - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *