Socio-eco

ARETINA MAMANY LAVA: Azo hamaritana ny fahantran’ny firenena iray


Tokony nodidiana na natao “ opération césarienne”  ny vehivavy tratry ny aretina mamany lava fa noho ny tsy fahampian’ny enti-manana  na fahalaviran’ny toeram-pitsaboana dia tsy afaka nanao izany izy. Aretina azo aorian’ny fiterahana ny mamany lava na “fistule obstétricale”.  Vokatry ny fihetsehan-jaza maharitra loatra na fitondrana vohoka aloha loatra (latsaky ny 18 taona) na fahasarotam-piterahana na fahataran’ny fanatonana mpitsabo na toeram-pitsaboana no tena mahatonga azy. Tahaka ny nahazo an’i Sea, 20 taona, mipetraka any Vatomandry.  Roa andro izy no nihetsi-jaza.  Tsy maintsy nodidiana tao amin’ny hopitaly Vatomandry izy ny 8 oktobra 2023. Indrisy anefa fa  sady tsy azo ilay zaza no tratry ny aretina mamany lava izy. In’efatra niteraka i Sea. Tsy azo  avokoa ny zanany telo, anisan’izany ilay nateraka tamin’ny oktobra 2023. Fito volana teo  izy no niaina tao  anatin’ny aretina mamany lava, mandeha ho azy ny amany. Rehefa naheno fanentanana tamin’ny onjam-peo ny tenany fa misy hetsika fandidiana maimaim-poana momba ny aretina mamany lava  ao amin’ny Sainte Fleur , akaikin’ny HJRA Anosy dia nisoratra anarana avy hatrany izy. Niakatra taty Antananarivo izy ary ny 27 mey 2023 izy no nodidiana. Efa mihatsara ny fahasalamany, raha ny fanazavany.

“Mihetsi-jaza maharitra loatra ilay vehivavy dia kenda ao anatin’ny  bassin ilay zaza. Manery ny tatavia amin’ny taolan’ny bassin ny  lohan’ilay zaza iny. Rehefa tsy mahazo rà ilay taova dia goaka. Matetika ary eo amin’ny 100 % eo dia tsy azo ilay zaza. Sady maty ilay zaza no rovitra ny tatavia na tsinaim-body”, hoy i Pr Rantomalala Yoël nanazava ny antony mahatonga ny aretina. Nanazava ihany koa i Tahiry Elisoa Sarah Miora, tomponandraikitra ao amin’ny Sainte Fleur fa  ny “lohan-jaza rehefa midina ao amin’ny lalan-jaza dia manindry ny tatavia ka rehefa ela be mihetsi-jaza , maharitra 3 andro ohatra, dia goaka ny tatavia. Rehefa goaka ny tatavia dia tsy mandeha any amin’ny fantsony tatavia ilay amany  fa mandeha any amin’ny lalan-jaza”. Vehivavy  miisa 22 no nisitraka fandidiana maimaim-poana tao amin’ny Sainte Fleur. Avy amin’ny faritra Atsinanana , Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Manogro, Menabe ary Analamanga izy ireo. Mbola hisy ihany koa ny hetsika fandidiana maimaim-poana, atao any Fianarantsoa, ny volana jona, any Ambatondrazaka sy Ambovombe ny volana oktobra 2024. Tsy andoavam-bola izany fa hiantohana avokoa ny fanafody ilain’ny marary, ny sakafony sy ny mpanaraka, ny sarandalana mandroso sy miverina, ny kojakoja ilaina toy ny koveta, lambahoany, lambam-pandriana, savony…Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny miara-miasa aminy, toy ny UNFPA, Opération Fistula, Ordre Malte, SALFA, ASOS… Nambaran’i Pr Rantomalala Yoël fa raha mbola be dia be ny trangan’aretina mamany lava dia mahantra izay ny firenena. Raha ny vinavina dia vehivavy 5.000 isan-taona no tratran’io aretina mamany lava io eto amintsika. 1000 amin’ireo ihany anefa no voaray an-tanana na mahazo fandidiana isan-taona.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *