Socio-eco

« Ankolagny » : Tosika manatsara ny velon-tena


Nosafidian’ny fandaharan’asa Prosperer Sofia ny distrikan’i Befandriana Avaratra nanatanterahana ny foara Ankolagny andiany faha-enina. Toy ny foara andiany teo aloha dia tanjon’ny mpikarakara ny hanatsarana ny asa fiveloman’ireo orinasa madinika, ny tantsaha notohanany. Ankoatra ireo orinasa madinika sy tantsaha miara-miasa amin’ny Prosperer Sofia dia nanatevina ny foara ireo koperativan’ny tantsaha nahazo tosika avy amin’ny Prosperer faritra Analajirofo sy Boeny. Nahazo fiofanana momba ny fanodinana ny voankazo ho lasa « confiture », fiofanana momba rary…avy amin’ny tetikasa Prosperer ireto mpandray anjara tamin’ny foara Ankolagny andiany faha-enina. Nampiranty ireo vokatry ny asa tanany izy ireo ny 24 ka hatramin’ny 27 aogositra 2018 tao amin’ny stade municipal Befandriana Avaratra. Nanampy ny fidiram-bolan’izy ireo ity foara Ankolagny ity. Tsy vitan’izany fa nahazo fahaizana vaovao ihany koa izy ireo tamin’ny alalan’ny fifanakalozana traikefa toy ny fampiasana ravina voanio izay azo hanaovana rary fa tsy mijanona amin’ny penjy ihany.

Niala tamin’ny fahantrana

« Tsy ao anatin’ny fotoana fohy akory no ahitana izany fisandratana izany fa mila taona maromaro ». Feno folo taona no niasan’ny fandaharan’asa Prosperer tao amin’ny faritra Sofia. Nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny Prosperer, Vladimir Ratsimandresy fa mifanindran-dalana amin’ny vina fisandratana 2030 ny tetikasa Prosperer raha ny mari-pamantarana tao anatin’izay 10 taona izay. Torak’izay ihany koa ity foara Ankolagny andiany faha-enina ity satria mampiseho mivantana ny ezaka nataon’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana. Nisongadina tao anatin’izay 10 taona fa 83.000 ireo orinasa madinika sy salantsalany eny ambanivohitra no niala tanteraka tamin’ny tsipika mamaritra ny fahantrana eto amintsika. Antenaina fa tsy hiverina amin’izany fahantrana izany intsony izy ireo satria efa miaina ao anatin’ny fandraharahana eny amin’ny tontolo ambanivohitra, hoy hatrany i Vladimir Ratsimandresy.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *