Socio-eco

ANDRO NATOKANA HO AN’NY AGROECOLOGIE: Nampitolagaga ny vokatry ny fampiharana ny agroécologie tao amin’ny CEG Igararana Miarinarivo


Nigagana tao Igararana nandritra ny fitsidihana ny saha sekoly, fanaovan’ny mpianatry ny CEG fampiharana momba ny “agroécologie” na fambolena maharitra. Raha tany karakaraina, nahakivy ny teknisianina ny faharatsian’ny kalitaon’ny tany, tamin’ny voalohany dia mifanohitra amin’izany ny vokatra azo rehefa nampiharana ny fomba fambolena maharitra. Mirefy 4 ara ny velarantan’ny saha sekoly ka ny iray ampahatelony (1/3) nambolena katsaka sy mucuna ary vary sy cajanus  ny ambiny. Ao anatin’ny teknikam-pambolena “agroécologie” ny fanaovana voly rakotra na ny fampiasana zavamaniry mamerina ny tsiron’ny tany, manatsara ny kalitaon’ny tany, toy ny mucuna, cajanus… Tsara noho ny tamin’ny taom-pianarana 2022-2023 ny vokatra tamin’ity 2023-2024 ity, raha ny tombana nandritra ny andro natokana ho an’ny “agroécologie” tao amin’ny faritra Itasy, ny 27 sy 28 martsa 2024.

Ravaoarisoa Clarisse, Talen’ny CEG Igararana

Ravaoarisoa Clarisse, Talen’ny CEG Igararana

“Tsara ny nahafapo ny vokatra satria efa nanaovana voly rakotra mucuna ny tany, tamin’ny heritaona. Resy lahatra ny ray amandreny amin’ny fampiasana fambolena manaraka teknika satria  efa hita fa tena ngazana ny tany fa rehefa tena naniry vary dia tena liana zareo. Tena nahagaga ilay izy satria kely ny masomboly nambolena kanefa nahafapo ny vokatra”, hoy i Ravaoarisoa Clarisse, Talen’ny CEG Igararana. Nampitombo ny tany hanaovana vala fampiharana ny sekoly ka tany mirefy 35 ara ambolena mucuna amin’izao fotoana izao.

Ny GSDM na vovonana matihanina amin’ny “agroéoclogie” no nikarakara ny andro natokana ho an’ny “agroécologie” tao amin’ny faritra Itasy,  tamin’ny alalan’ny fanohanan’ny tetikasa ALEFA Agroécologie sy ny GIZ. Tetikasa hanampiana ny tantsaha mpamboly sy mpiompy trondro hiatrika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro, ny valan’aretina Covid19 sy ny fitomboan’ny mponina amin’ny alalan’ny  fampiharana ny “agroécologie” ny ALEFA Agroécologie. Tantsaha misehatra amin’ny famokarana tantanam-pianakaviana miisa 3000, avy ao amin’ny faritra Itasy, Vakinankaratra sy Atsinanana no misitraka izany. Mamatsy vola ny tetikasa ny Agence Française de  Développement (AFD). Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany  ny  APDRA, ny GSDM, ny FIFATA sy ny Cœur de forêt. Sahan’asa iray ao anatin’ny tetikasa ny fampidirana ny fambolena maharitra anaty fandaharam-pianarana ka anjara asan’ny GSDM no manome fampiofanana ireo sekoly mpisitraka. Manome tantsoroka ireo tantsaha mpisitraka ny tetikasa momba ny « agroécologie » ihany koa ny GSDM. Notsidihana nandritra ny andro natokana ho an’ny faritra Itasy ihany koa ireo sahandriaka nampiharana ny teknikam-pambolena sy toeram-piompiana trondro. Nofaranana tamin’ny atrikasa fizarana traikefa sy antontam-baovao, tao amin’ny tranom-pokonolona ny hetsika.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *