Socio-eco

AJE : Tokony mipaka any ifotony ny ampahany betsaka amin’ny famatsiambola amin’ny fiarovana ny tontolo iainana


Miankina amin’ny tontolo iainana avokoa ny zava-drehetra na ny fiainana any ambanivohitra na tanan-dehibe, ny fampandrosoana, ny fampandehan-draharaha eo anivon’ny firenena.  Hita sy tsapa ihany koa ny fiovan’ny toetrandro ka izany indrindra no nahatonga ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira vaovao momba ny tontolo iainana (AJE) namboly hazo ny sabotsy 11 martsa 2023. Teny amin’ny sahan’ny SAF FJKM Soavina Ambanintsena ireo mpikambana no nanatanteraka izany. Zanakazo 250 nahitana karazan-kazo miisa efatra (4) toy acacia, zacaranda, frêne ary kafe no nambolen’izy ireo. Nosafidiana manokana ireo hazo ireo noho izy haingam-pitombo, sady tsy mila ranobe no tsy manimba tany. « Ankoatra ny fampahalalam-baovao dia olom-pirenena ihany koa ny mpanao gazety ka mahatsapa ho manana adidy amin’ny lafiny fanentanana sy fanabeazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tamin’ny desambra 2019 ny fambolen-kazo nataon’ny mpikambana voalohany kanefa noho ny fisian’ny Covid-19 iny dia izao indray vao afaka nanatanteraka ny AJE. 98% ireo nambolena no naniry. Hisy hatrany ny fanarahamaso ireto vao nambolena ireto ary ezahana ny anaovana fambolen-kazo isan-taona. Efa mijery toerana hafa indray noho izany ny fikambanana » hoy Andriantefiarinesy Njaka, Filohan’ny AJE. Isaorana ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo nanampy rehetra, toy ny orinasa Ambatovy, ny Star, ny SAF FJKM , ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy.

Tetibola amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

Miara-miasa amin’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, mpikambana feno ao amin’ny Alliance Voahary Gasy (AVG) ihany koa ny fikambanana. Araka ny fikaroham-baovao nataon’ireo mpanao gazety mpikambana dia noho ny fahantrana  no mahatonga ny fandripahana ny harena voanjanahary, ny doro ala, ny doro tanety. « Tsy manana foto-pivelomanana mazava ny olona dia ny fandripahana ny harena voanjanahary no ataony fitazamona aina sisa. Mila fiaraha-mientan’ny rafitra rehetra no vahaolana. Marobe ireo fikambanana miaro tontolo iainana. Tokony hipaka any ifotony ny ampahany betsaka amin’ny famatsiambola amin’ny fiarovana tontolo iainana fa tsy tokony ho 10 na 20 % ihany. Ao anatin’izany fijerena manokana ireo polisan’ala, ny velontenan’ny mponina manodidina ny faritra arovana ary fandrindrana fitantana ny harena voanjanahary », hoy izy. Fanindroany tamin’io ny AJE no namboly hazo teny amin’ny sahan’ny SAF FJKM Soavina. Ny volana desambra 2019 ny voalohany.

Ra-Nirina

Sary:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *