Socio-eco

ADY TANY : Rahoviana vao tsy hisy intsony ? Sa mbola hiampy 60 taona manaraka indray vao hisy vahaolana?


Tsy hanavahana saranga, antokom-pinoana ny ady tany mahazo ny malagasy.  Tany hanototra hoy ny maro kanefa mamelona ihany koa hoy ny hafa. Ilay hanototra sa ilay mamelona no tena mahatonga azy ity ? Karazana aretina mikiky tsy mbola nahitan-dRamalagasy fanefitra izy aloha hatreto. Rehefa tomorina akaiky ny anton’ny ady tany dia vokatry ny fanjanahantany  ny ankamaroany. Vao tsy ela izay no nisy ny fampiharana didy fandrodanana fotodrafitrasa naorin’ny mponina tetsy amin’ny kaominina Ambohimangakely ny 25 aprily 2023.  Trano miisa 50 no nosimbaina. Nifanolanan’ny mponina nonina teo an-taonany maro sy ny fiangonana katolika io tany io. Nandresy teny amin’ny fitsarana ny fiangonana Katolika ka tonga tamin’ny fandrodanana. Atao hoe « MANANKASINA III »  titre N°4041-BAV ao Manankasina izay mirefy 27Ha 51Ca 90Ca ity tany ity raha ny « certificat de situation juridique».

Raha jerena ny « certificat de situation juridique» (CSJ) niandohan’ ity tany ity dia « MANANKASINA III », titra laharana  1809 nisoratra tamin’ny fanjakana frantsay, ny 14 Febroary  1903. Ny 05 Oktobra  1948 kosa dia niova titra laharana 977-B atao hoe Manakasina III. Ary farany izy niova ho « MANANKASINA III »  titra laharana 4041-BAV ny 19 Desambra 2011. Raha ny hita eo amin’ny « plan » na saritany kosa anefa dia « MANANKASINA III » ex-titre N° 1802 – T.N  977-B – T.N 4041 – BAV.

Fanontaniana mipetraka:  iza marina ny titra niandohan’ny  tany? Rehefa jerena ny « CSJ » sy ny « plan » dia tsy nitovy ny niandohan’ny tany , ny ao amin’ny « plan » dia ex-titre N° 1802 ary ny niandoany titre N° 1809. Samy taratasim-panjakana daholo anefa ireo. «  Rehefa nojeren’ny mpisolovava tany amin’ny sampandraharahan’ny fananantany ny momba ny plan io titre N°1809 io dia tsy hita », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny SIF ( Sehatra Iombonan’ny Fananantany), Eric Raparison. Lasa aiza izany io « plan » N° 1809 io ? Boky rovitra indray ve kanefa tsy mifanalavitra ny N° 1802 sy 1809 izany? “Manahy izahay ato amin’ny SIF fa misy tsy mazava izy ity.

«Raha ny nahafantarana an’izany katolika Romanina izany dia ny fitsinjovana ny madinika kanefa mifanohitra amin’izany ity resaka tany etsy amin’ny kaominina Ambohimangakely ity satria dia misy madinika na mahantra mihitsy no rava trano noho ity ady tany ity. Tsy miady amin’ny fiangonana izahay fa mangataka kosa ny hijerena ny fahamarinana ao anatin’ity ady tany ity », hoy hatrany i Eric Raparison. Olombelona ny namoaka didy, mety ho diso. Fomban-javatra izany, tsy hanomezan-tsiny ny ao amin’ny fitsarana. Azo atao tsara kosa ny mampitsahatra ny fandravana aloha rehefa hita fa misy ny hadisoana eo amin’ny taratasy. Izay no angatahinay amin’ny fiangonana katoliaka, aleo miresaka mba ho tombotsoan’ireo madinika ireo, hoy izy.

Rehefa inona no ampiharina ny didy na tsia ?

Dia tsy mbola nahitam-bahaolana ihany koa ny ao Labandy ao Mampikony ao. Mitaintaina indray ireo mponina mpamboly vary amin’iny lemaka ao Mampikony iny. Nisy ny didy nivoako ny 19 desambra 2022 fa afaka mamboly ireo tantsaha mivelona amin’iny toerana iny. Manahy anefa izy ireo ankehitriny amin’izao fahavokaran’ny vary izao fa tsy ho azon’izy ireo indray ny vokatra novokarin’izy ireo. « Naheno feo avy any izahay fa ho samborina indray ireo mpitarika sady tantsaha mpamboly ao amin’ny tany », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny SIF. Inona ny antony fikasana hisambotra azy ireo raha misy tokoa? Hatraiza ny fampiharana ny didy navoaka amin’ny anaran’ny Malagasy ? Marihana fa misoratra amin’ny vondron’orinasa Socota ity tany mamokatra be velarana ity raha tanin’ny colon izy tany aloha ary mahatonga ny ady an’io tany io mandrak’ankehitriny.

Mifanohitra amin’ity any Mampikony ity kosa ny fampiharana ny didy navoakan’ny fitsarana momba ny «  trottoir » ao  Ambohitrarivo, distrika Amparafaravola raha ny momba ny fampiharana ny didy. Tsy maintsy arodana ireo trano fivarotana na « pavillon» maromaro miorina eo ambon’ny  «  trottoir » ireo. Olon-tsotra indray no nitory ka nandresy izy. Tompon’ny trano fitahirizana vokatra mifanila amin’ireto trano fivarotana ireto no mpitory. « Misy tamboho ary tsy mitodika any amin’ireto trano fivarotana ireto io trano fitahirizana io ka hoe manelingelina ireo trano ireo », hoy i Eric Raparison. Rehefa miresaka io olona io dia hoe hanaovany trano heva tsara io toerana io kanefa sady tsy tompony izy no tsy tompony koa ireo izay efa teo, fa io didy io no entiny sy heritreretiny hanaovana an’izany,  hoy hatrany izy.  Tanim-panjakana hanaovana fotodraitrasa ho an’ny tombontsoam-bahoaka ny «  trottoir » ka tsy misy olon-tsotra tompony. Nomarihany fa lalam-pirenena no misy ity toerana ity ka ny ministera misahana ny asa vaventy no nanome alalana azy ireo. Efa 38 taona no niorina ireo trano fivarotana ireo raha ny fanazavana hatrany.  Tokony hojeren’ny fanjakana izy ireo satria azo lazaina fa ao anatin’ny vahoaka mahantra raha jerena ny  zavatra varotan’izy ireo,  hoy hatrany izy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *