Portrait

ZAVA-KANTO: FENO 55 TAONA I DADAVY


RANAIVOARIVELO Randriantsoavina David Jean no anarany, Zaza faharoa amin’ny Mpiray tampo aminy izy ary teraka tao Ambondrona ny 03 Marsa 1947. Manam-bady tokana ary niteraka zaza efatra izay efa nahazoany zafikely sivy hatreto.

OVIANA NO NANOMBOKA TEO AN-TSEHATRA  DADAVY ?

 Ny taona 1965, Raha nandalo tao Anjozorobe ny Riankira Ambohijatovo Avaratra dia nasain’ny Zokiny lahy nanao dihy misy fampiakarana tongotra any an-katoka  izy ka dia gaga sy nitehaka mafy ny Mpijery manontolo.

Ny  05 Jona 1966, dia nolokoin’ny Zokiny menamena ny orony, mangamanga ny masony, fotsifotsy  ny molony ary nampanaoviny ny akanjon’ny dadabeny ka rehefa nosesefany lamba ny kibony sy ny fitombenany dia  nandray anjara tamin’ilay fampisehoana natao tao amin’ny Sahan-dRabobalahy ao Anosipatrana izy telo mirahalahy  ka nitondra anarana hoe : Daved Randria, izay nalaina avy tamin’ny anarany  hoe : David sy ny an’ny zandriny hoe :Edmond ary ny an’ilay zokilahiny hoe : Randrianjanaka ; ka raha tsarina izany dia ity Zokilahiny atao hoe : Randrianjanaka Raymond Nestor ity no tena nahatonga azy ho mpanao HATSIKANA ary mbola nanipy azy ihany koa ho tonga teny AN-TSEHATRA.

AHOANA NO NAHATONGA NY ANARANA HOE : DADAVY ?

Rehefa nitohy hatrany ny antson’ireo olona na Fikambanana na Fiangonana naToeram-piasana   na ireo Mpikarakara lanonana  isan-karazany, dia tsy afaka niaraka taminy intsony ny Zandriny sy ilay Zokiny ka dia voatery namorona anarana izy izay nosintonina avy amin’ny anarany hoe : David  ihany ka rehefa navadika ho : DIVAD, VIDAD, DADIV, DADAVI  izany, dia raikitra fa DADAVI no ho raisina rehefa soloina ho”Y” ny ”I” ary dia tonga teo mandraka ankehitriny ny anarana hoe : DADAVY

INONA AVY NY KARAZANA FAMPISEHOANA NATAON’I DADAVY ?

  • CLOWN ( famelezana am-pitaka, valin-teny tsy am-poizina, Kilalaon-teny,…)
  • PANTOMIME (fanasongadinana ny Baiko maona, tantara,…)
  • DANSES BURLESQUES (Dihy tsy misy taolana, Akom-pahatsiarovana, Adamasy Eva,…)
  • CHANSONNETTES DEGUISEES (Hira miova tonony, hira miova feony,…)
  • SARY INDRAY MIPIKA (lalaovina an-tsehatra…)
  • FANENTANANA ( fampisehoana, mariazy, fitokanana, fety,…)
  • MPILALAO TANTARA ( an-dapihazo, ao amin’ny Radio….)
  • HIRA MADINIKA

IZA AVY IREO NIARAKA NILALAO TAMIN’I DADAVY ?

          Raha ho tanisaina eto izany, dia ireto no niaraka nilalao HATSIKANA taminy : Nestor – Edmond – Fidy –

           Martin – Côme – Mbato – Mami sy Mima – Jôjô – Njato – Son – Lova – Solofo –  Perrot – Dimby – Tolotra

OVIANA NO NANOMBOKA NIHIRA  DADAVY ?

Ny taona 1964 izy dia no nanomboka  nihira tao amin’ny chorale  fjkm Anosipatrana, Riankira Ambohijatovo Avaratra,…

Ny  taona 1970 izy dia nanandrana nihira niaraka tamin’ny Tanora vitsivitsy/Mpiray tanàna aminy ary rehefa nisesisesy teny ny fanasan’ny olona an-drizareo handray anjara amin’ny fampisehoana rindran-kira  dia nahaforona tarika iray rizareo  ny 23 Mars 1972 ka nataony hoe : NY ANDRY no anarany.

FIRY TEO NO ISAN’NY HIRA EFA NOHIRAIN’I DADAVY ?

Tsy voatanisa ny hira nohiraina fa ny voatsangany tao amin’ny tarika NY ANDRY dia teo amin’ny  40 teo ho eo ary an’isan’izany ity hira iray noforonin’I Perrot Rasamimanana  ary  nokaloin’I Noro sy Dadavy mitondra ny lohateny hoe : Fiainam-baovao

Ny taona 1980 kosa dia nangatahan’i Bessa sy Freddy Ranarison izy hihira ny sangan asan’i Nonot Robel mitondra ny lohateny hoe : Tsy mbola tena tia  sy Andeha aho fa veloma ianao…

OVIANA NO NANOMBOKA NY SARY INDRAY MIPIKA MIARAKA AMIN’I DADAVY ?

“Tamin’ny 01 Febroary 1992 no nandeha voalohany teto amin’ny RNM ny Sary Indray Mipika = 29 taona

TAIZA AVY NY TOERANA EFA NANDALOVAN’I DADAVY ?

Efa tapitra nandalovany  avokoa  ny faritra 22 anatin’ny  fivondronana  6  eto Madagasikara fa raha ny any ivelany kosa dia efa nandray anjara tamin’ny fampisehoana nandritry ny  Foire Panafricain d’ Alger izy ny volana Septambra 1976 ary an’isan’ny Mpanakanto tafaraka tamin’ny tsidika ofisialy nataon’ny Filoham-pirenena tany Indonésie ny volana Novambra 2008,

AIZA NO METY AHITANA AN’I DADAVY ?

Antsoy amin’ny finday laharana- 032 02 437 67  / 034 05 437 67 na hanoraty amin’ny e.mail  : ddadavy@yahoo.fr/ ddadavy@gmail.com na tongava any aminy ao amin’ny Lot : II D 109 Ambondrona (manoloana ny IFT misy Mpivarotra koba) dia anontanio eo fa hihaona aminy ianao…

Noraisin’i Ony RAMBELO


One comment on “ZAVA-KANTO: FENO 55 TAONA I DADAVY

  1. Pingback: ZAVA-KANTO: FENO 55 TAONA I DADAVY - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *