Mahoraka

SOAMAHAMANINA:TSY EKENA NY FANOMEZANA ALALANA ARA-TONTOLO IAINANA NY ORINASA JIUXING MINES S.A.R.L


 

 Ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena izay manao sonia eto ambany, dia maneho ny firaisankina sy ny fanohanany tanteraka ny fanoheran’ny vahoaka any an-toerana ny tetikasa fitrandrahana volamena izay ataon’ny orinasa JIUXING MINES S.A.R.L ao Soamahamanina, taorian’ny fihaonany sy fifanakalozan’ny solontenany tamin’ny Komitin’ny Fanoherana ny Fitrandrahana Volamena nanomboka ny talata 21 jona.

Efa volana maro izao ny vahoaka aman’arivony avy ao Soamahamanina sy ny fokontany manodidina no naneho ny tsy fanekeny ny tetikasa izay vao nahazo alàlana ara-tontolo iainana avy amin’ny Foibe-pirenena momba ny Tontolo Iainana (ONE) hitrandraka volamena mandritry ny 40 taona.

Mazava ary tsy misy azo lavina ny anton’ny fandavan’ireo vahoaka ireo an’io tetikasa io.

Ny venti-kevitra voalohany dia momba ny tsy fanomezana hasiny ny mponina nataon’ny tompon’ny tetikasa fitrandrahana sy ny ambaratongam-pahefana : ny ankabeazan’ny olona ao amin’ny fokontany fito (7) voakasiky ny tetikasa fitrandrahana dia na tsy nalaina ny heviny na nandà ny tetikasa. Fandrahonana hampiasa ny hery famoretana no navaly ny fitakiana sy ny fanehoana hevitra nataon’izy ireo.  Manahy mafy izy ireo noho ny kolikoly tafiditra tamin’ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao, ary efa nametraka fitoriana any amin’ny BIANCO mikasika izany.

Lavin’ireo vahoaka ireo koa ny fakàna ny taniny sy ny harena voajanahary ilainy amin’ny fivelomana an-davan’andro, ary ny fahaverezan’ny toerana fiainana sy ny loharanon-tsakafon’ny vondron’ny mponina mipetraka ao amin’ny faritra hitrandrahana.

Fanampin’izany, dia tsy eken’ny fokonolona voakasiky ny tetikasa fitrandrahana ny mahavery hasina ny kolotsaina sy fomba amam-panao nentim-paharazana vokatry ny faharavan’ny fasana. Tsy ekeny toy izany koa ny fandrodanana ny fiangonana sy ny sekoly izay tafiditra ao anatin’ny kaosesion’ny orinasa mpitrandraka.

Lavin’ny mponina any an-toerana tanteraka koa ny faharavan’ny ala tapia izay tafiditra amin’ny faritra arovana, ary iankinan’ny fiveloman’ireo mpanao landy eny an-toerana, sy ny fahasimban’ny tontolo iainana ho vokatry ny fampiasan’ny orinasa JIUXING MINES S.A.R.L. ireo fitaovana fitrandrahana mavesatra, anisan’izany ny haloton’ny rano sy ny atsanga hanototra ny tanim-bary.

Ny fitambaran’ireo tranga efa misy sy ny loza mety hiseho ireo dia mampiseho  mazava fa voahozongozona ny zo fototry ny vahoaka voakasiky ny tetikasa fitrandrahana volamena ao Soamahamanina sy ny manodidina.

Izahay firaisamonim-pirenena dia manameloka izany fanitsakitsahana ny zo fototry ny vahoaka izany, sy ny finiavan’ny fitondram-panjakana hanampim-bava ny fanoherana marim-pototry ny mponina any an-toerana amin’ny alalan’ny fandrahonana hampiasa ny hery famoretana.

Mampahatsiaro ny fitondram-panjakana izahay fa izy dia tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovana sy ny fanatanterahana ny zon’ny vahoaka Malagasy rehetra, fa tsy tokony hampiasa ny mpitandro filaminana mba hisakanana ny vahoaka hitaky ny zony.

Tokony ho marihina koa fa lasa fomba mahazatra ny Foibe-pirenena momba ny Tontolo Iainana (ONE) ny fanomezana fahazoan-dalana hitrandraka ho an’ny tetikasa manimba ny tontolo iainana sy ny fokonolona any an-toerana, araka ny efa hitan’ny besinimaro tamin’ny fanomezan-dalàna tsy ara-dalàna nomeny ny orinasa Toliara Sands hitrandraka fasimainty any amin’ny distrikan’ny Toliara II.

Noho izany antony rehetra izany, izahay firaisamonim-pirenena izay manao sonia eto ambany dia manambara fa TSY AZO EKENA NY FANOMEZAN-DALANA ARA-TONTOLO IAINANA HO AN’NY ORINASA JIUXING MINES S.A.R.L. HITRANDRAKA VOLAMENA AO SOAMAHAMANINA.

Manohana tanteraka ary manamafy ny fanoheran’ny vahoaka mpiray tanindrazana eny an- toerana io tetikasa fitrandrahana volamena io izahay, ary manambara etoana ny fahavononanay hiara-miasa amin’izy ireo sy ny tompon’antoka rehetra mba hitadiavana vaha-olana maharitra sy manaja ny zon’ny olombelona.

Natao teto Antananarivo, androany faha-23 jona 2016

CRAAD-OI – Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien

RESEAU SOA – Syndicat des Organisations Agricoles

Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY.

Association MAZOTO – Miaro Aina -Zon’Olombelona sy Tontolo iainana

Plate-forme de la Société Civile de la Région DIANA

FVTM – Federasionan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara.

Projet TARATRA

Sehatra Iombonana ho an’ny Fananan-tany – SIF.


One comment on “SOAMAHAMANINA:TSY EKENA NY FANOMEZANA ALALANA ARA-TONTOLO IAINANA NY ORINASA JIUXING MINES S.A.R.L

  1. Pingback: SOAMAHAMANINA:TSY EKENA NY FANOMEZANA ALALANA ARA-TONTOLO IAINANA NY ORINASA JIUXING MINES S.A.R.L - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *