Faits-divers

RN7 TANA-FIANAR : Voamboatra ny lalana, tonga ny loza


Ilay hoe « Mampiteny ny moana » moa fomba fiteny ihany, fa tsy dia nisy moana mbola nahateny. Ndeha  atao hoe nikoràka fotsiny angaha izy ! Ny tena marina sy fahita dia ny hoe « Mampiteny irery », ary izany tokoa no nanjo ny ankamaroan’ny mpamily izay mamakivaky ny RN7. Indrindra ny tapany mampitohy an’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa.

                                                 Delire refection RN7

                     Vita tsara sy mafy toy izao ny any Andreana sy Tsarafidy

Ilay ampahany mamakivaky ny tanànan’i Tsarafidy sy Andreana hianika an’i Mandalahy iny no tena nampiraikitra ny dia. Zary lasa velarana idealy fanafihan’ny mpisakan-dalana. Ny mampitohy an’i Alakamisy Ambohimaha sy Iboaka moa efa vita tsara, ka ny fikolokoloana azy sisa no imasoana. Na izany aza anefa, dia mbola betsaka ny lavadavaka tsy ampoizina mety hampidi-doza ho an’ny tsy zatra ka variana mirimorimo, aty amin’ny tapany Ambositra Ambohimahasoa. Tsy dia asa goavana tahaka ny any Tsarafidy sy Andreana no atao aty avaratr’Ambohimahasoa hatrany Ambositra, fa asa mitsitapitapy (operation tip top) tanterahin’irony antsoina hoe “cantonniers” irony. Misy aza irony mpangata-bola mody manototra tany sy tapa-biriky ny lavaka irony no miseho ho tsemboka eo.

Naharitra ela ihany izay nampiteny irery ny saofera tamy ny RN7 izay. Nampihena fisian’ny loza ny haratsian-dalana, saingy nampitombo ny mpanafika. Mitranga matetika indray ny loza ankehitriny, raha vantany vao vita ny fanarenana ny potika.

                                                                 Delire réfection RN7 et accident

                       Fatam-birikin’olona mipetraka tsara an-tanimbary no voatrongy

Santionany amin’ireny itony fiara taxi-brousse rezionaly (na suburbaine) “mini-bus” vao avy nisongona anay itony. Maika toy ny notsoloran’ny afo. Tsy ahoan-tsi-ahoana teo dia nisidina niala ny lalana ka nifatratra any amy fatam-birika anaty tanimbary. Rehefa nanontaniana ilay mpamily dia nilaza fa nikatso ny familiana. Sarotra hinoana ihany izany, raha tsy hoe angaha toy ny fanaon’ny taxi brousse mandeha mafibe dia manao “point mort” mamono “moteur” ka lasa “position garage” ny lakile. Izay tsy voa koa moa toa mahay miteny daholo, fa dia aza manody ny ilaozan’ny fitaovana.

Tokony atao an-tsaina lalandava fa ny lalana tsara sy mahitsy be ireny dia toa miantso torimaso, indrindra rehefa valalanina namily nandritra ny ora maromaro.

Razaka Oliva


One comment on “RN7 TANA-FIANAR : Voamboatra ny lalana, tonga ny loza

  1. Pingback: RN7 TANA-FIANAR : Voamboatra ny lalana, tonga ny loza - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *