Edito

RATSIRAKA Didier Ignace : Tsy maintsy ilaina (?)


Lahatsoaratra niseho an-gazety tamin’ny 07 oktobra2011 ity…. Fanahy iniana avoaka eto ho fahatsiarovanay eto amin’ny delireMadagascar  azy…

Noho ny antony tsy fisian’ny trano isitrihany eto Madagasuikara no mbola tsy ahatongavan-dRatsiraka, hoy ny mpomba azy eto an-toerana. Tsy nahazo fahazoan-dalana hiditra eto Ratsiraka, hoy ny Gazety namana. Ratsiraka dia manana ny heviny mikasika ny famahana ny olana eto Madagasikara, hoy ireo mpiara-dia aminy manokana. Fa Ratsiraka dia olan’ity Madagasikara ity,hoy ny fanazavan’izy tenany, tamin’ny fotoan’andro nahateo amin’ny fitondrana azy.

Ratsiraka ve dia hipetrapetra-potsiny amin’ny loza sy korontana manjo ny tanindrazany? Ratsiraka koa ve dia tsy hanana ny heviny na ny vaha-olana atolony amin’izao savoritaka eto izao? Ratsiraka ve dia efa tsy ilaina intsony satria manana olana ara-pahasalamana sy efa osa ara-batana? Ratsiraka ve dia tsy maintsy ahilika sy tsy maintsy dinganina raha tena te-hilamina? Fanontaniana marobe toy izany no mifamahofaho any an-tsain’ny olompirenena raha vao nielina eo an-tsainy ny momba an-dRatsiraka.

Praiminisitra

Io andininy iray ao amin’ny tondrozotra milaza ny fomba hanedrena ny praiminisitra io no tombanana ho tena fototra tsy nanaovan-dRatsiraka ny sonia ilay sori-dalana nifaneken’ny mpisehatra politika eto amintsika. Voatondro ao fa tsy maintsy ho mpanao pollitika avy any anindran-tany no ho tendrena eo. Tsy kisendrasendra velively no nahatonga an-dRatsiraka hijanonana teo amin’ny fitantanana ny firenen’ny Gasy nandritra ny fotoana marobe, anisan’ny antony tamin’ireny dia ny fanaovantsika ny tolom-piavotana nifanaraka tamin’ny fitsokan’ny rivotra teto ambonin’ny tany, fa anisan’ny goavana indrindra dia ny “lovan-tsaina” azon-dRatsiraka tamin’ny mpanjanaka antsika izay nampiasa ny resaka fihavina ho fitantanana ny raharaham-panjakana teto. Ratsiraka Didier Ignace dia nihevitra ary mbola mihevitra hatramin’ity anio ity fa mpitondra ary mpiaro hatrany ny tombony ho an’ny Tanindrana eto Madagasikara. Ratsiraka no mbola mihevitra fa mpampiray ny Tanindrana na inona na inona foto-kevi-pironana ara-politika teto. Raha hitso-drano izay ho Praiminisitra ho amin’io endriny io Ratsiraka dia toa mitso-drano (an-kolaka) izay ho tendrena eo ho mpandimby azy, na koa hotohanany ho filohan’ny Repoblika vaovao ho avy.

Tsy mbola teraka ny mpandimby

Ny Praiminisitry ny fitondrana tetezamita eto Madagasikara dia tsy maintsy ho lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana ka izy no hanana ny fahefana feno amin’izany. Io antony io no “nidongian-dRatsiraka” ny toeran’ny Praiminisitra hatramin’iny dina tany Maputo iny. Tsy mbola tian-dRatsiraka ampitaina amin’ny namana Tanindrana hatramin’izao io fahefany (nandeha ho azy) ho mpitarika sy mpanetsika io resaka io. Tsy hahagaga ny nanaovany sari-teny fa tsy ho vitan-dRajoelina mihitsy ny hitondra an’ity firenena ity, toy ny fanambaràny fa tsy hain’ny mpivaro-dronono ity raharaham-pirenena ity. Iza moa no tsy nilaza fa tokony ho ny Praiminisitra lefitra Rajaonarivelo Pierrot no tokony ho kandida ho filoham-pirenena tamin’ny taona 2001? Mbola ho lava ny resaka politika eto Madagasikara fa tsy mihodina fotsiny amin’ny resaka tondrozotra, na tetezamita, na  Rajoelina, na Ravalomanana, na Zafy… Tsy maintsy ho eo ny dian-tanan-dRatsiraka, na hanao ny fanaganana firenena Gasy mifototra amin’ny fisainana Gasy isika, na hanao tefy maika amin’ny vaha-olana atematemaka.

Ony RAMBELO


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *