Mahoraka

NY DIAN’NY MPIVAHINY : NAMIBIE


Mpiombona faritra SADC amin’i Madagasikara i Namibie eo amin’ny lafiny politika sy ekonomika ary fifandraisana iraisam-pirenena. Ao avaratra andrefan’i Afrika Atsimo no misy azy. Tsy misy sidina mivantana mampitohy azy amintsika fa mifarana ao amin’ny seranana Oliver Tambo ao Johannesburg ny fiaramanidina South Africa Airways miainga eo Ivato. Any indray no miatrika ny famakivakiana fadintseranana afrikana tatsimo, ka miandry ny fiondranana amin’ny fiaramanidina Namibian Airlines. Raha ora telo ny faharetan’ny sidina miala eo Ivato hatreo Johannesburg, dia tsy latsaka izany koa ny faharetana mandram-pahatonga ao Windhoek renivohitra namibiana.

Tropikan’i Capricorne.

Tahaka an’i Madagasikara dia vakivakian’ny tsipika jeografika tsy hitamaso tropikan’i Capricorne i Namibia. Midadasika noho i Madagasikara ny velarany mirefy 824268 km². Saingy maro tany efitra ka vitsy mponina noho isika Malagasy izy, manodidina ny 1600000 ny Namibiana. Kenda anelanelan’ny Désert de Namib avy ao andrefana manamorona ny ranomasimbe Atlantika, sy ny Désert de Kalahari ao atsinanany. Tahaka an’i Afrika Atsimo ihany dia maroloko (arc-en-ciel) ny mponina namibiana. Hahitana mainty hoditra ny ankamaroany; fotsy hoditra taranaky ny  Eoropeana mpanjanatany (Angalisy, Alemà, Holandey… Afrikaaners); Karàna ary Safiotra (Coulored). Angola ao avaratra, mikasika kely an’i Zambie sy Zimbabwe ao avaratra atsinanana, Botswana ao atsinanana, ary Afrika Atsimo ao atsimo-atsinanana: ireo no mpifanolobodirindrina amin’i Namibie.

P1130229Ny Mpivahiny mandray fitenenna

Nifarimbonan’ny Fotsy.

Namibie, na République de Namibie no anarana vaovao nentin’ity firenena lehibe ity raha vao nahazo ny fahaleovantena izy tamin’ny taona 1968. Talohan’izany dia Sud-Ouest Africain na South West Africa no niantsoana azy. Nanana tantara lavabe izy ka tsy ivalamparana, fa raha fintinina tsotsotra dia nifandimbiasan’ny Britanika sy ny Alemà ary ny Afrikana tatsimo ny nanjanaka ny Sud-Ouest Africain. Nisedra ny fanavakavaham-bolokoditra (Apartheid) tahaka an’i Afrika Atsimo koa i Namibia, ka namaivay ny tolona anaty akata niatrehana ny fotsy hoditra mpanjanaka. Ny SWAPO (South-West Africa People Organization) antoko politika notarihin’i Sam Nujoma notohanan’ny MPLA (Mouvement Populaire pour la Libération de l’Angola) sy FNLA (Front National pour la Libération de l’Angola) avy ao Angola no nandresy tamin’ny fifidianana raha vao nahaleotena i Namibia. Filoha voalohany tiam-bahoaka Sam Nujoma ka nantsoina amin’ny anaram-bosotra hoe “Oncle Sam”. “Régime présidentiel” no sata hitondrana ny Tany sy ny Fanjakana.

RAZAKA Ralphine Manantenasoa

(Hitohy…)


One comment on “NY DIAN’NY MPIVAHINY : NAMIBIE

  1. Pingback: NY DIAN’NY MPIVAHINY : NAMIBIE - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *