Socio-eco

FJKM ANOSIBE ZIONA FAHAZAVANA : Hanohana ny Radio Teny Fiainana RTF


 

Miseho amy lafiny maro samy hafa ny fiaraha-miasa sy fifanohanana eo amy samy Protestantra. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sy ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) no Fiangonana Protestantra roa lehibe, mivondrona ao amy ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestantra eto Madagasikara na FFPM, izay etsy Vohipiraisana no misy ny foiben-toerany.

Tsy voafetra ho eo amy fiaraha-mientan’ny Farimbon’asa sy Vondron-tsampan’asa ihany ny fiombonana. Tsy voafetra koa eo amy ny asa fitoriana tahaka ny fifanakalozana polipitra fitoriana teny, sy fiarahana manao Tafika Masina ny fiarahana, fa ireo Sampana samy hafa koa dia samy manana programa iombonana hiaraha-manatanteraka. Ny tily sy Mpanazava ary ny Skoto ohatra manana programa iraisana. Toy izany koa ny Dorkasy sy ny FBL, ny SLK sy ny FDL, ny SAFIF sy FiFiL eo amy Fifohazana ets. Misy koa samy fitandremana loterana sy FJKM mpifanolobodirindrina manana tetikasa iombonana eo amy sehatry ny finoana ary koa ny fiarahamonina. Misy fitandremana FJKM maromaro koa manerana ny Nosy maneho tsy tapaka hetsika fanohanana ny tobilehibe Soatanana ara-moraly sy ara-materialy. Malalaka tsara ny samy Kristiana protestantra maneho firaisan-kina amin’izany lafiny izany ka samy mahatsiaro teny ho tsy voafatopatotry ny dogma izay mampiharihary ny fahasamihafana sy mampisongadina ny elanelana misy.

Itony ohatra asehon’ny FJKM Anosibe Ziona Fahazavana itony dia manaporofo izany firaisan-kina sy fiarahamientana eo amy fitoriana ny Filazantsaran’i Kristy izany. Vokatry ny fitiavan’ny Kriistiana manontolo ao amy ny FJKM Anosibe Ziona Fitiavana mihaino sy manaraka ny fandaharana manontolo vokarin’ny Radio Teny Fiainana, izay sitasiona radio an’ny Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta/FLM) an’ny Fiangonana Loterana Malagasy, dia tsy misalasala hitondra fanohanana ho an’izany sitasiona radio izany ny FJKM Anosibe Ziona Fahazavana.

Araka izany dia manomana ANTSAM-PIDERANA iarahana amin’i Christophe RATREMA io Fitandremana io izay ho tanterahana ao amy ny FJKM Anosibe Ziona Fahazavana ihany ny Alahady 24 avrily 2016 hanomboka amy 2 ora tolakandro. Izany no hatao dia hanehoana ny fankasitrahana ity sitasiona radio ity eo amy ny fiaraha-mitory an’i Jesosy Kristy.

Koa dia manainga ny vahoakan’Antananarivo ny Fitandremana Anosibe Ziona Fahazavana, indrindra ny Kristiana ary koa ny Protestantra, na FJKM na FLM, hanao rodobe hifanome Tanana ka ho tonga hijery Christophe RATREMA mba entina hanohanana ny asa fitoriana ny Filazantsara ataon’ny Radio Teny Fiainana.

Ny Radio Teny Fiainana RTF dia azo tsidihina ao amy ny FLM Ambatovinaky. Ao amy “sous-sol” no misy ny sitasiona sy ny studio, ary ny FM 91.2 no maridrefy hahazoana azy.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *