Socio-eco

FIKAMBANANA PORTE BONHEUR : Faly ireo mpianatra sy ray amandrenin’ny mpianatra ary mpampianatra ao amin’ny EPP Ampahibato Alasora


Tafita ny fahasambarana nozaraina. Nitondra kilalao  sy “biscuit” ho an’ny mpianatra sy “panier garni” misy paty « macaroni » sy menaka ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra  ary panier garni ahitana paty « macaroni » sy menaka ary vary 5 kilao ho an’ny mpampianatra ao amin’ny EPP Ampahibato Alasora ny fikambanana Porte Bonheur,  ny 21 desambra 2023. Asa sosialy fanaon’ny fikambanana isaky ny ankatoky ny noely ho an’ireo EPP ao amin’ny kaominina Alasora ity hetsika ity. Mpianatra miisa 300 – nanomboka tany amin’ny « préscolaire » ka hatramin’ny taona fahadimy sy ray aman-dreny mpianatra ary mpampianatra miisa 250 no nahazo ireo fanomezana ireo.  « Tsy famahana olana fa fitondrana anjara biriky amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely no nataonay. Hitanay fa miramirana ary tafita ny fahasambarana nampitainay mahita an’ireo ray amandreny sy ankizy misitraka izany fanomezana izany”, hoy i Randriantsoa Mireille, Filohan’ny Porte Bonheur.  Nilaza Ramatoa Randrianaly Hantarivelo, renim-pianakaviana, manan-janaka vavy mianatra ao amin’ny EPP Ampahibato, taona fahadimy fa tsy nanomana vola hividianana kilalao ho an-janany. “Mafimafy ny fiainana ka manao fety arak’ izay takatry ny vola. Tsy nanomana vola hividianana kilalao ihany koa. Faly ny ankizy nahazo kilalao, faly koa ny lehibe nahazo fanomezana avy amin’ny fikambanana. Misaotra azy ireo nanome izany”, hoy izy.

Fikambanam-behivavy mpanao asa sosialy ao amin’ny kaominina Alasora ny Porte Bonheur.  20 ny isan’ireo mpikambana.  Amin’ny alalan’ny fandraisan’anjara ara-bola ataon’ny mpikambana  sy ny fanampian’ireo mpiara-miasa ary hetsika fitadiavam-bola no enti-manana hanatanterahan’ny fikambanana ny asa sosialy. Raha ny tombana dia nitombo isan-taona ny isan’ny mpisitraka sy asa sosialy natao, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny fikambanana.  Anisan’ireo toerana hanaovan’ny fikambanana asa sosialy ireo EPP ao Alasora. “Nisafidy ny EPP ety izahay satria  ety no tena ahitana ireo zaza sahirana. Hita ihany koa fa tsy zarizary ny sakafo ho an’ireo mpianatra, ny ray aman-dreny sahirana ka mitondra ny anjara birikinay izahay ho fanampiana azy ireo. Mizara izay kely hanana satria sambatra kokoa ny manome noho ny mandray”, hoy hatrany i Randriantsoa Mireille nanazava ny antony hanaovana asa sosialy eny anivon’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra. Ho an’ny taona 2023, maro ny hetsika nataon’ny fikambanana toy ny asa natao teny anivon’ny toby fitaizana beantitra, fitaizana zaza kamboty, ny EPP. Hiezaka hanao fitadiavambola sy hikaroka mpiara-miasa ny fikambanana  mba hampitomboana ny enti-manana  hanantanterahana ny asa amin’ny taona 2024.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *