Socio-eco

FIANTOHANA ARA-PAHASALAMANA “MAHAVELONA” : Laharam-pamehana ny tantsaha mpamokatra


Tantsaha mpamokatra lavanila sy ny ankohonany, ao amin’ny faritra SAVA, manodidina ny 50.000 hahazo fiantohana ara-pahasalamana maimaim-poana. Vina ho tratrarin’ny tranom-piantohana Mahavelona amin’ny fankalazana ny faha-folo taonany io isa io. Nankalaza ny faha-dimy taona nisiany i Mahavelona ny 19 sy ny 20 aprily 2018 lasa teo, tao Andapa. Tao anatin’izay dimy taona izay, tantsaha mpamokatra lavanila miaraka amin’ny ankohonany miisa 32.300 no efa noraisiny an-tanana.
Ny orinasa Symrise no nandoa ny latsak’emboka an’ireto mpahazo tombontsoa ireto. “Mpamokatra ranomanitra amin’ny alalan’ny lavanila ny orinasa Symrise. Miara-miasa amin’ireo tantsaha mpamokatra ny akora ampiasanay izahay. Mba hampandeha ny asan’izy ireo, nandray an-tanana ny lafiny ara-pahasalaman’izy ireo izahay”, hoy ny tomponandraikitry ny Symrise. Ao anatin’ny tetikasa Zina ny fananganana ny tranom-piantohana Mahavelona. Manampy amin’ny fampandehanana ny tetikasa ihany koa ny fikambanana Positiv Planet. Tanjon’ny tetikasa ny fisitrahan’ny tantsaha rehetra ny fitsaboana manara-penitra.
Lynda A.


One comment on “FIANTOHANA ARA-PAHASALAMANA “MAHAVELONA” : Laharam-pamehana ny tantsaha mpamokatra

  1. HARIMANANA Jiggie Nobel

    La qualité des services offerts par MAHAVELONA est vraiment satisfaisante. Il reste très proche des populations locales, surtout des planteurs de la vanille dans la région SAVA. Je viens de Fokontany Ambodimanga-I C.R Ambodimanga-I de District d’Andapa. C’est pourquoi je connais bien la mutuelle MAHAVELONA.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *