politique

ANTOKO AVI: Mitohy ny fanohanana ny Prezidà Rajoelina


Fanenjehana diso toerana. Notanterahina androany 24 janoary 2020 teny Anosy ny fihaonambe nasionalin’ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana). “Antoko AVI, miatrika ny faha-30 taonany” no lohahevitra niompanan’ny  fivoriana. Raha ny fantatra dia amin’ny  taona 2026 no feno 30 taona ny antoko ka ho fanomanana izany indrindra ity fihaonambe ity. Ankoatra izany dia fotoana nanomezana hafatra ho an’ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsainan’ny tanàna vaovao, lany tamin’ny anaran’ny antoko ity hetsika ity. Araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko, Ratsirahonana Norbert Lala fa manana  ben’ny tanàna  90 sy mpanolontsaina 400 ny AVI. Nandritra ny fihaonana no nanoloran’ny antoko ny fitaovana ho entin’izy ireo miasa toy ny boky toro-lalana, navoakan’ny ministeran’ny atitany, mirakitra ny asa miandry azy ireo.

Tsaratsara kokoa

Raha ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny AVI hatrany  fa 14 taona no niarahan’ny antoko tamin’ny Prezida Rajoelina. “(…) Tafahoana tamin’ny Ingahy Rajoelina ny tenako tamin’ny fotoan’androny. Nilaza izy fa afaka miaraka ve TGV sy ny AVI amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Lany soamantsara ben’ny tanana an’Antananarivo Rajoelina tamin’izany fotoana izany”.  Nambarany ihany koa fa nifarimbona nametraka  ary miaro izao fitondrana entin’ny Prezida Rajoelina Andry izao ny AVI. Noho izany, “vonona hiaro an’io fitondrana io na manao ahoana na manao ahoana. Efa misy mieritreritra sahady fa tsy mety mihitsy ny ataon’ny fitondrana. Tsy ao anatin’ny herintaona no hahavitana hampandroso ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara (…) Fanenjehana diso toerana izany. Izahay dia mahatoky fa mbola hanohy ny ezaka ny filoha Rajoelina ary izahay miaraka aminy hampandroso ity firenena ity amin’ny toerana tsaratsara kokoa hatrany, raha tsy izany tsisy antony mampisy ny AVI “, hoy izy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *