Socio-eco

Tranombarotra eo Behoririka: « Akatona rehefa tsy manana « permis de construire »


Niroso tamin’ny fanakatonana na ny « scellage »ny tranom-barotra iray lehibe teny Soarano na ny « globe » ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra androany faha 14 Marsa 2016 tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, tamin’ny alalan’ny Arrêté Municipale N°164-CUA/CAB.16 portant fermeture de l’établissement GLOBE pour non-conformité aux plans autorisés sise à Soarano Antananarivo appartenant à Sieur CAI GUO WEI.

Ny anton’izao dia ny tsy fananan’ity trano lehibe iray ity ny fahazoan-dalana hanorina na ny « permis de construire  , tsy miorina ara-dalàna izany ity trano ity ka tsy maintsy hakatona. Ankoatra izay ihany koa dia efa maro tamin’ireo mponina manodidina no nitaraina teny anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra noho ny rano maloto izay avoakan’ity trano lehibe ity, misy amin’ireo trano mandodidina ihany koa no mitsiatra noho ny havesatr’ity trano ity. Talohan’ny nandraisana izao fepetra izao  dia efa maro ireo dingana izay efa narahana toy ny fandefasana taratasy fampitandremana na ny « avertissement » amin’ny tokony hanatsaharana ny fanamboarana ny trano. Tsy nahitana vokany anefa izany fa mbola nanohy ny tsy fanarahan-dalàna ihany ity farany, mbola nanohy ny fananganana ny trano. Nampiantso azy ireo indray ary izany ny Kaominina ka taoriana ny fihaonana sy ny fifampiresahan’ny roa tonta no nanaovan’ny tompon-trano « lettre d’engagement » tamin’ny 17 Avrily 2015 izay manambara fa : « manaiky ny hanaja ny lalàna mifehy ny fanorenana an-tanàn-dehibe ary vonona ny haka ny fahazoan-dalana ao anatin’ny 15 andro »

Amin’izao fotoana izao dia hita fa mbola nanohy ny fanamboarana ihany ny tompon-trano ary  koa nampiditra mpanofa trano, mpivarotra maro na dia tsy nahazo alalana tamin’izany aza izy ireo.  Manoloana izany tsy fanarahan-dalàna izany sy mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany dia namoaka ny didim-pitondrana ny avy eto anivon’ny Tanànan’Antananarivo ny hanakatonana ny tranom-barotra « Globe » etsy Soarano.Mahakasika ny entan’nympivarotra indray dia anjaran’izyireo sy ny tompon-trano no mifapiraharahaamin’ny famoahana izany amin’nyfomba ara-dalàna.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *