– Bruno dia miara-mihira lalandava amin’ny vadiny, Malala, midera an-kira. Mifameno ny feon’izy mivady: Malala manao feo mitaona misy fihetsempo, toa feo faharoa kanefa feo voalohany, Bruno kosa manao feo midoboka misy fahefana kanefa feno fitiavana. Niara-miasa tamin’ny mpanakanto ara-pilazantsara frantsay izy fahiny raha tany Bordeaux. Misy ireo tononkirany nosoratan’ny Frantsay iray ary fantatr’olona any ivelany hatrany USA. Continuer la lecture
Catégorie Evenement
Fetin’ny paska sy ny pentekoty : Nouveau arrivage ao amin’ ny Baolai
Ao anatin’ ny fankalazana ny fetin’ ny paska sy ny pentekoty ho avy izao dia maro ireo magazay lehibe eto amintsika no manavao ny tolotra omeny ny mpanjifa. Anisan’ izany ny Tranombarotra « Baolai » etsy Analakely sy Soarano ary ao Bazar be Toamasina. Izay ahitana entana, mifanaraka tsara amin ‘ny filàna sy ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Continuer la lecture
29 Martsa…Tolom-panafahana…Fisaonam-pirenena : « Mitomany valala » manoloana tsangambato isika
Iza amin’ireo mpanao politika efa nifandimby teo Ambohijatovo na Moramanga sy teny Avaratr’Ambohitsaina, sy/na ireo nanao rodobe nampifanojoan’ny kisendrasendra( ?) no tena mandova ny fitiavan-tanindrazana nahafatifaty (foana , dsanatria) ny mpitolona tamin’ny taona 47 ? Iza no sahy hiteny fa tsy nohetsehan’ny tombony ho azy manokana ireo nijoro eo anatrehan’ny tsangambaton’ny tantara ? Iza no nandeha tsy novoizina te-hiseho am-pitiavana (tokoa) amin’ny fanompoana ny fireneny ? Tsy fanamarihana ny « faharesena » nanoloana ny « paika politika » nataon’ny mpanjanaka ve no anton’ny fanamarihana ny 29 martsa hatrizay hatrizay ? Satria misy, ary mbola hisy hatrany ny sarivongana mpanompo « hery hafa » tsy miady ho amin’ny tombotsoa itambaran’ny Gasy mihitsy. Continuer la lecture
DIAVOLAN-KO LAVA ANY AMBILA LEMAITSO: Fampiroboroboana ny fizahantany anatiny
Fialan-tsasatra hamerina ny hasin’i Ambila Lemaitso. Telo herinandro sisa dia higadona ny “Diavolan-ko lava”. Continuer la lecture
Ny dian’ny mpivahiny: CURAÇAO SY JAMAÏQUE
Avy any Azia atsimo atsinanana (Thaïlande sy Corée) dia hiverina any amy kaontinanta amerikana. Efa nivahiny tany Amerika avaratra (Etazonia indroa) sy Amerika atsimo (Brésil indroa) isika, ka ho any Amerika afovoany. Faritra ara-jeografia atao hoe «Caraïbes», na “La Caraîbe”, na “The Caribbean” (teny angalisy) no itondrana antsika. Hita ao ny tangoronosy (archipel) antsoina hoe “Les Antilles”. Nosy kely iray sy nosy salasalany iray hafa no itondrana antsika, dia Curaçao sy Jamaïque.
Continuer la lecture
SALFA FACE AU COVID-19 : Le SPAnta sera ratissé
Le SALFA ou Sampan’asa Loterana momba ny Fahasalamana (Organe luthérien de la santé) va bientôt boucler sa mission qui consiste à remettre des kits (savons, caches-bouche, spiruline et divers lots de médicaments…) au sein de ses agences dans toute l’île, ainsi que des toby Fifohazana ou Grands Centres de Réveil Spirituel. Pour ce faire, le SALFA a affecté les voitures 4×4 reçues des partenaires à parcourir la grande île à travers dix axes. Continuer la lecture
X-treme combat andiany fahatelo : 07 Martsa 2020 no fotoana
Raikitra ny « ady »…Ady goavana… MIHAJA sy mahaliana. Hotanterahina ny 07 Martsa 2020 ho avy izao ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena Mahamasina ny « X-treme combat ». Continuer la lecture
Noborahan-dRajoelina ny resaka : « Misy maisatra tarihana ny mpiara-miasa amiko »
Notanterahina teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha ny 20 Janoary 2020 ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teo amin’ireo mpanao gazety sy ireo tompon’ orinasan-tserasera izay notarihin’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard.
Nandritra ity fifampiarahabana ity no nanamafisan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry fa manana lanjany manokana ny asa fanaovan-gazety noho ity asa ity mitondra fanabeazana eto amin’ny firenena. Na samy manana ny firehany aza ny haino aman-jery dia tsotra ny tanjona, ny mba hilaza ny vaovao marina. Continuer la lecture
PASSATION DE FANION FFPM : De Calviniste au Luthérien
Le temple d’Ambatovinaky, capitale du Luthérianisme à Madagascar, a hébergé dimanche 05 janvier 2020 après-midi le culte d’action de grâce, relatif à la passation de responsabilité quant à la présidence tournante de la FFPM (Fédération des Eglises Protestantes de Madagascar). Le Dr Irako Andriamahazosoa Ammi (le Président de la FJKM a obtenu son Ph’d) a remis la flamme de l’œcuménisme inter-protestant au Dr Rakotonirina David (Président de la FLM). Continuer la lecture
NewTech Event: Hiaka-dapa ny andiany faharoa
Ilaina ny teknolojia vaovao sy avo lenta raha te hiroso mankany amin’ny fandrosoana. Tsy iadian-kevitra intsony izany fivoarana izany. Tsy tokony ho diso anjara ihany koa isika Malagasy. Nitsiry ny hevitra ny amin’ny fampivondronana amin’ny toerana iray ny mpanjifa, ny mpisera, ary indrindra ireo mpahay ny fikirakirana rehetra momba ny teknolojia vaovao. Continuer la lecture


