Evenement

29 Martsa…Tolom-panafahana…Fisaonam-pirenena : « Mitomany valala » manoloana tsangambato isika


Iza amin’ireo mpanao politika efa nifandimby teo Ambohijatovo na Moramanga sy teny Avaratr’Ambohitsaina, sy/na ireo nanao rodobe nampifanojoan’ny kisendrasendra( ?) no tena mandova ny fitiavan-tanindrazana nahafatifaty (foana , dsanatria) ny mpitolona tamin’ny taona 47 ? Iza no sahy hiteny fa tsy nohetsehan’ny tombony ho azy manokana ireo nijoro eo anatrehan’ny tsangambaton’ny tantara ? Iza no nandeha tsy novoizina te-hiseho am-pitiavana (tokoa) amin’ny fanompoana ny fireneny ? Tsy fanamarihana ny « faharesena » nanoloana ny « paika politika » nataon’ny mpanjanaka ve no anton’ny fanamarihana ny 29 martsa hatrizay hatrizay ? Satria misy, ary mbola hisy hatrany ny sarivongana mpanompo « hery hafa » tsy miady ho amin’ny tombotsoa itambaran’ny Gasy mihitsy.

Efa aty amin’ny 74 taona aty aoriana dia « mitomany valala » eo anoloan’ny tsangam-bato ny Gasy niniana tsy nampahafantarina ny tantarany. Mbola ny sarivongana ihany no mivazavaza sy midehaka ho mpitondra sy ho mpampianatra azy. Mbola voatery hiady tsy fidiny hatrany ny Gasy : Hiady amin’ny tsindrihazolena mpahazo azy hatrizay, hiady sy hitolona ho amin’ny hanina hohaniny isan’andro, hiady sy hamoy ny ainy ho an’ny fireneny noho ny hevitra (mba) avoakany, hiady mba hamelona ho ao am-pony indray ny hery nanetsika ny razany hanohitra ny tsy rariny.

Vao miantomboka ny tantaran’ny Gasy, rehefa nopotehina nandritra izay 125 taona izay. Tsy maintsy miverimberina ny tantara raha tsy haintsika ny mampivoitra ny faha-samihafana ho fanoitra ho amin’ny fampandrosoana. Rehefa tombotsoan’ny firenena dia ho an’ny Gasy izay, tsy misy Tanivo sy Tantsiraka, tsy misy maha-Tandroy sy Sakalava, na maha-Merina sy Antankarana , na Vezo , na Antambahoaka, na Masikoro, na Antesaka, na Betsimiaraka, na Antanosy… Izay mitsipaka an’izany dia manao fihetsiky ny sarivongana mamangy sy mijoro toy ny labozia manoloana ny hasin’ny tsangam-bato…sy tsangan-kevitra mampitambatra.

 Ony RAMBELO


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *