Archives mensuelles octobre 2017


MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA: Miantoka ny fahasalamana ny sakafo azo antoka


“Ho dorana avokoa ireo karazan-tsakafo miditra eto Madagasikara tsy manaraka ny fenitry  ny fahasalamana”.  Nambaran’ny Tale misahana ny  fitsirihana  ny antoka ara- pahasalamana  sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSSQDA), Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA  fa ho giazana ireo  entana rehetra varotana eny an-tsena ka  tsy nandalo fitsirihana ara-pahasalamana mba hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo. Continuer la lecture

Ravalomanana Marc : Vonona amin’ny fampihavanam-pirenena


Tokony hisy fifanarahana mihitsy ataon’ireo kandida sy mpanao politika hiatrehana ny fifidianana amin’ny taona ho avy , hoy Ravalomanana Marc raha tsy izany, hoy izy, dia tsy hisy fifidianana eken’ny vahoaka eto Madagasikara. Tsy ho mora ny fiatrehana io fifidianana io raha tsy misy izay ary tokony hazava amin’ny rehetra ihany koa ny fitsipi-dalao. Ny hisian’ny fifidianana tena eken’ny vahoaka, dia ny fifanakalozan-kevitra. Continuer la lecture


Fivarotana ny tany « VILLA ELIZABETH » : Andian’olona sy fahefam-panjakana no mahavita izany


Efa ela (taona 2007 tany ho any) ny Pr zafy no niresaka tamin’ireo olona akaiky azy fa misy nitsiriritra io Villa Elizabeth io. Zarain’ity raiamandreny ity amin’ny « olona atokisany » ny ahiahiny :  » Misy olona niditra tao amin’ny  Villa, hoy izy,  ka namaritra tany  ary mitonona ho mpiasan’ny fananantany  ireo olona ireo,  tsy fantatro akory sady tsy nampandrenesina aho tompontrano fa ohatran’ny an-tery no nanaovana izany, hoy ny fitantarany. Continuer la lecture


VATOSOA : Manamora ny dingana atao amin’ny fanondranana ny ministera.


Olon-tsotra sy orinasa 18 nandray anjara tamin’ny fifaninana momba ny fanefena vatosoa. Hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fampirantiana iraisam-pirenena atao any Londres ny volana novambra ho avy izao ny nandrombaka ny loka voalohany. Niofana momba fanefena vatosoa izy ireo talohan’ny fifaninana.

Naranty nandritra ny lanonana fizarana ny loka ireo vatosoa voapaika, asan-tanan’ireo mpandray anjara. Nanatrika izany ny Ministry ny harena an-kibony tany sy solitany, ZAFILAHY Ying Vah, ny Tale Jeneralin’ny ivom-pampiofanana momba ny vatosoa eto Madagasikara (IGM), Andrianirina RASOLONJATOVO.

Sehatra ara-dalana

Ao anatin’ny politikan’ny ministera misahana ny harena an-kibon’ny tany ny fanamorana ny dingana atao amin’ny fanondranana vatosoa. “Ho fampitomboana ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana no tanjona eto”, hoy i Andrianirina RASOLONJATOVO. Ny fidirana amin’ny sehatra ara-dalana no lalana ahafahana manatanteraka izany.

Mbola tsy hiditra eny amin’ny fivoriana ara-potoana ny fitsipika mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Na izany aza, mifandinika amin’ny fanatsarana ity sehatry ity foana ny ratsa-mangaika rehetra voakasika, araka ny fanazavan’ny Ministra.

Ny 25 oktobra 2017 ny fizarana mari-pankasitrahana an’ireo mpifaninana tamin’ny andiany faharoa.

Nirina R.

HORONAN-TSARY