Archives mensuelles septembre 2018


KANDIDA MAILHOL: Misy mikasa hamono


Tratran’ny ramatahora sahady ny kandida Mailhol noho ny fitakiany ny « Iles Eparses ». Misy mifofo ny ainy ankehitriny. « Tsy hihemotra amin’ny fampitahorana ataon’ny any ivelany aho. Andriamanitra irery ihany no hatahoraka ary tsy misy maty tsy amin’ny androny izany eto. Ampiasaina ny teratany Malagasy hanao izany fa tsy ny any ivelany no hanao mivantana izany», hoy ny kandida Mailhol laharana faha – 34.
Tsy izany teti-dratsy faratampony izany ihany anefa fa misy mikasa hisambotra ka hampiditra am-ponja koa izy. Eo ihany koa ny fisian’ireo olona voakarama mba ho « disqualifié » izy. Anisany fampitahorana azy tsy hitaky ny « Iles Eparses » ny fisamborana ireo teratany afrikana roa izany nitaky niaraka aminy ny famerenan’ny Frantsay ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara. Nomarihany fa tsy hiady amin’ny vahiny izy fa mitaky kosa ny hameranana io « Iles Eparses » io. Nanao antso avo ho an’ireo izay manao izany izy mba hampiato ireo fikasa-dratsy ireo.

Manaiky ny vahoaka

Fihaonana voalohany nataon’ny kandida Mailhol tamin’ny vahoakan’Antananarivo ny teny amin’ny kianja fanaovana basikety Mahamasina ny Sabotsy 22 Sebtambra 2018 lasa teo. Naseho an’ireo olona maro be tonga teny an-toerana ireo taratasy 1.000.000 vita sonian’ireo vahoaka Malagasy momba ny tsy maintsy hamerenan’ny Frantsay ny « Iles Eparses ». Noamafisiny fa tsy maintsy miverina amin’ny Malagasy ny tany izay nalaina amin’ny tsy rariny anisan’izany ny tany lasan’ny vahiny any Atsimo.

Andro Sabata

« Tsy ny mpino apokalypsy irery ihany no ho vonjena fa ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka. Misy koa ny milaza fa mpino ao aminy ihany no mpanaraka ahy ». Iaraha mahalala fa manaja ny andro sabata ny pasitera Mailhol sy ny mpino ao aminy. Misy ny nanome tsiny azy amin’izao famoriana olona amin’ny andro sabata izao. Nisy mihitsy aza no nilaza fa nivadika izy. Noporofon’ity kandida laharana faha-34 tamin’io andro sabata io fa ireo olona maro be tonga namaly ny antsony dia tsy apokalypsy satria tsy tonga teny ireo mpino ireo noho ny andro sabata. Nampiseho ihany koa izy fa filoha ho an’ny Malagasy rehetra fa tsy an’ny apokalypsy irery akory.
Tsy miova ny vinan’ny kandida Mailhol izay sady laharam-pahamena rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Eo ny fijerena ity tsy fandriam-pahalemana mampikaikaika ny vahoaka ity, ny famerenana ny tany azon’ny vahiny na teratany Malagasy amin’ny tsy rariny ao anatin’izany ny « Iles Eparses » ary fijerena manokana ny farim-piainan’ny vahoaka amin’izao fidim-piainana miakatra izao.

Nirina R.