Archives mensuelles janvier 2020


RDJ MOZIKA 2019: Mbola misy ny fotoana hisafidianana ireo mpanakanto mendrika indrindra


Lanonana fanaon’ny onjam-peo 96.6 FM isan-taona ny “Rdj mozika” ho fankasitrahana ireo mpanakanto malaza. Ho an’ny taona 2019, sokajy 22 no hotolorana izany. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, ny 30 janoary 2020 teny Ambodivona fa ireo mpankafy no tompon-tsafidy ny tokony ho mpanankanto mendrika handray ny amboara isaky ny sokajy. Continuer la lecture


GOVERNEMANTA NTSAY CHRISTIAN 2.0


DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA ROAPOLO SY ROA ARIVO TSIPIKA FITOPOLO Anendrena ireo mpikambana ao amin’ny Governamanta

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA, – Araka ny Lalam-panorenana; – Araka ny didim-panjakana laharana fahasivy ambin’ny folo sy roa arivo tsipika efatra ambin’ny folo aotra fito, tamin’ny sivy ambin’ny folo jolay, taona sivy ambin’ny folo sy roa arivo, anendrena ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta; – Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,

Minisitry ny Fiarovam-pirenena : Général de Corps d’Armée RAKOTONIRINA Léon Jean Richard

Minisitry ny Raharaha-bahiny : Docteur TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Liva

Mpitahiry ny Kasem-panjakàna, Minisitry ny Fitsaràna : Andriamatoa ANDRIAMAHEFARIVO Johnny Richard

Minisitry ny Toe-karena sy ny Vola : Andriamatoa RANDRIAMANDRATO Richard

Minisitry ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefàna : Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Tianarivelo

Minisitry ny Filaminam-bahoaka : Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa Rodellys

Minisitry ny Fanajariana ny Tany,sy ny Asa Vaventy : Andriamatoa ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona

Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy ara-kasa: Ramatoa ANDRIAMANANA JOSOA Iarintsambatra Rijasoa

Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka: Professeur AHMAD Ahmad

Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana sy ny Jono : Andriamatoa RANARIVELO Fanomezantsoa Lucien

Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo : Andriamatoa RAMAROLAHY Christian

Minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana: Ramatoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary

Minisitry ny Harena Ankibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika : Andriamatoa RAVOKATRA Fidiniavo

Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr’andro : Andriamatoa RANDRIAMANDRANTO Joel

Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakàna ary ny Lalàna : Ramatoa RAMAMPY Gisèle

Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa : Professeur ASSOUMACOU Elia Béatrice

Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa-tanana : Ramatoa RAKOTOMALALA Lantosoa

Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra : Ramatoa RAHARINIRINA Baomiavotse Vahinala

Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra sy ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra : Andriamatoa RAMAHERIJAONA Andriamanohisoa

Minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy : Ramatoa NAHARIMAMY Lucien Irmah

Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena : Andriamatoa RAHAROARILALA Tinoka Roberto Michael

Minisitry ny Fifandraisana sy ny Kolontsaina : Ramatoa RAKOTONDRAZAFY- ANDRIATONGARIVO Lalatiana

Minisitra Lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny Ministeran’ny FanajariananyTany, sy ny Asa Vaventy: Andriamatoa ZASY Michael Angel

Sekreteram-panjakàna eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, miadidy ny Zandarimariam-pirenana: Général de Corps d’Armée RAVALOMANANA Richard

 

Foana ary tsy manan-kery ireo andinindininy rehetra tany aloha mifanohitra amin’izay voalazan’ity didim-panjakana ity dia ireto manaraka ireto – Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika folo sy efajato sy arivo natao ny fahaefatra ambiny roapolo jolay sivy ambinifolo sy roa arivo, – Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby dimapolo sy valonjato sy arivo natao ny faha roapolo septambra sivy ambinifolo sy roa arivo – Ary laharana faha°sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby efapolo sy roa arivo natao ny fahatelopolo oktobra sivy ambinifolo sy roa arivo nanendrena ireo mpikambana ao amin’ny Governamanta.

 


ONG NY FANAHY MAHA OLONA : Hizara mivantana ny fanomezany any amin’ny traboina.


Tsy mijanona amin’ny fanampiana vonjimaika ho an’ireo traboina. Manao antso avy amin’ny fitondram-panjakana ny ONG Ny Fanahy maha olona hanome alalana ny fiaramanidina hitondra ireo fanampiana ho an’ireo traboina vokatry tondra-drano. Nambaran’ny filohan’ny ONG, Ny Rado Rafalimanana ny 27 Janoary 2020 tamin’ny mpanao gazety fa iray andro aorian’ny faneken’ny fitondram-panjakana dia higadona eto Madagasikara io fiaramanidina io. Continuer la lecture


FEDERASIONAN’NY SEMPAMA ANTANANARIVO: Manahy ny tsy hahatanteraka ny veliranon’ny Prezidàn’ny Repoblika


« Manamarina ny valan-dresaka nataon’ny Prezidà Rajoelina Andry  tamin’ny mpanao gazety ny tombana nataonay ». Nanao tombana ny toe-draharaha eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa ny federasionan’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA) sampana Antananarivo ka nampahafantariny tamin’ny alalan’ny tafa ho an’ny mpanao gazety izany  ny 27 janoary 2020 teny Mahamasina. Continuer la lecture


FAMOTORANA NY RAHARAHA TANY ENY NANISANA: Tsy misy idiran’ny resaka politika


Zavatra roa samy hafa. Taorian’ny fitsirihana sy famotorana nataon’ny “direction de la police judiciaire” (DPJ) eo anivon’ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena momba ny fitoriana napetraky ny ministeran’ny fambolena, manoloana ny fidirana antsokosoko tao amin’ny tanim-panjakana eny Nanisana dia olona folo no voatonotonona ho tompon’ny tany sy tompon’heloka. Continuer la lecture