Archives mensuelles juin 2016


SOAMAHAMANINA:TSY EKENA NY FANOMEZANA ALALANA ARA-TONTOLO IAINANA NY ORINASA JIUXING MINES S.A.R.L


 

 Ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena izay manao sonia eto ambany, dia maneho ny firaisankina sy ny fanohanany tanteraka ny fanoheran’ny vahoaka any an-toerana ny tetikasa fitrandrahana volamena izay ataon’ny orinasa JIUXING MINES S.A.R.L ao Soamahamanina, taorian’ny fihaonany sy fifanakalozan’ny solontenany tamin’ny Komitin’ny Fanoherana ny Fitrandrahana Volamena nanomboka ny talata 21 jona. Continuer la lecture


GEOMETRE EXPERT: Notsinotsoniavina ny lalana mifehy azy ireo.


“Nandika lalana ireo namolavola ny tolo-dalana ho fanitsiana ny lalana mahakasika ny holafitry ny mpahay mandrefy tany na ny “ordre des géomètres experts” satria voalaza ao anatin’ny lalana laharana faha-2011/005, andininy faha-22 sy faha-23, fa raha misy ny fanitsiana ny fitsipika mifehy ny holafitra dia tsy maintsy mandalo fivoriana izany. Mifanohitra amin’izany anefa no nitranga, tsy nampahafantarina ny holafitra mihitsy fa hisy ny fanitsiana io lalana io, hoy ny Filohan’ny “Ordre des Géomètres Experts”, Lucien RANAIVOARISOA. Noho izany, nanentana ny loholona, ny governemanta ary ny solombavambahoaka izy tsy handany io fanitsiana io. Ankoatra izay, vao tamin’ny desambra 2015 no nivoahan’ny didy fampiharana kanefa dia izao asiam-panitsiana izao sahady. “Famotehana ny mpandraharaha amin’io sehatra io ny fandaniana izany”.
Anterivava : Lucien RANAIVOARISOA

Marihana fa lany teny amin’ny fivoriana azo atrehan’ny besimaro teny amin’ny lapan’Antenimierampirenena omaly fa “afaka manao fandinihana topografika sy manao ireo asa topografika momba ny fananan-tany toy ny fanatsatoham-bato, famaritana ireo fetran-tany sy ireo zavatra eo amboniny, fanamboarana sarin-tany ara-dalana, fitsinjarana tany, fanombanana vidin-tany na trano, fandinihana lalina momba ny taratasin-tany miakatra fitsarana” na ny mpahay mandrefy miasa amin’ny fanjakana na ny tsy miankina . Ny lalana mbola mihatra amin’izao fotoana izao anefa milaza fa ny mpahay mandrefy tsy miankina no manatanteraka ireo asa ireo fa ny mpiasam-panjakana kosa no mitsara izany.
Hiteraka zava-doza ny fandaniana ny lalana nasiam-panitsiana. “Vao maika hirongatra mihoatra ny 80% ny ady tany tsaraina eny amin’ny tribonaly satria sady handrefy izy no hampiditra ao amin’ny firaketana izay efa andraikiny raha teo”.
Nirina R.

Horonan-tsary


LETTRE OUVERTE A MONSIEUR LE PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE


Monsieur le Président,
Les chiffres ne cessent de nous rappeler que 92% des Malgaches vivent en dessous
du seuil de pauvreté et votre gouvernement a établi comme priorité la lutte contre la pauvreté. Nous
pensons qu’il est impératif et juste que les autorités montrent l’exemple en faisant preuve, d’une part,
d’austérité et d’autre part de bonne gouvernance en matière de gestion des finances publiques.

Continuer la lecture