Sport

X-treme combat andiany fahatelo : 07 Martsa 2020 no fotoana


Raikitra ny « ady »…Ady goavana… MIHAJA sy mahaliana. Hotanterahina ny 07 Martsa 2020 ho avy izao ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena Mahamasina ny « X-treme combat ».

Ny volana desambra lasa teo no efa niketrehana ny hanatontosana ity hetsika ity, hoy ny mpikarakara Me Boto Gilbert. Niato nandritry ny fotoana elaela ny kick boxing noho ny fiovam-pitantanana teo anivon’ity taranja ity.

Fanombohana ny hetsika 2020 ihany ity hotontosaina ny 07 martsa 2020 ity raha ny fanazavana. Fiarahamientan’ireo mpanazatra zokiny eo amin’ny kick boxing no ahafahana hanao izao hetsika izao ary tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha 10 taonan’ny Lion force ihany koa.

Taranja miisa dimy no hifaninanana amin’io fotoana io, hisy ny kick boxing, K1, ny boxe Anglaise, ny savate pro, ary ny MMA sy ny pancrace, ary ady 15 no hitranga. Hisy ireo efa matianina amin’ny ity taranja ity misy ihany koa ireo vao misondrotra ary samy hampiseho ny fahaizany avokoa izy ireo.

Hisy ny amboara ho an’ireo mpandresy. Vonona hanampy ny traikefa sy ny teknika hananan’ireo mpilalao ihany koa ny mpanazatra, hitohy ny fampiankarana ambony ny lenta ahafahana mivelatra hatrany eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena. Na izany na tsy izany dia isan’ireo taranja mivoatra tsikelikely eo amin’ny tekinika ny kick boxing, hoy Me Boto Gilbert mpitantana ny Lion force.

Mangataka ireo malala-tanana anefa izy ireo hanampy ahafahana manatontosa ny hetsika satria ny hetsika toy izao dia ho an’i Madagasikara izay midika fa iray ihany isika. Hisokatra amin’ny 12 ora tolakandro ny vavahady, 3000 Ariary 10 000 Ariary ary 50 000 Ariary ny vidim-pidirana.

Miora Razafindramanitra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *