Evenement

NewTech Event: Hiaka-dapa ny andiany faharoa


Ilaina ny teknolojia vaovao sy avo lenta raha te hiroso mankany amin’ny fandrosoana. Tsy iadian-kevitra intsony izany fivoarana izany. Tsy tokony ho diso anjara ihany koa isika Malagasy. Nitsiry ny hevitra ny amin’ny fampivondronana amin’ny toerana iray ny mpanjifa, ny mpisera, ary indrindra ireo mpahay ny fikirakirana rehetra momba ny teknolojia vaovao.
Hotontoasaina ny 12, 13 14 desambra 2019 ho avy izao ao amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny « Newtech event » andiany faharoa. Ny  Newtech event dia «salon de la technologie», io fotoana io no ahitana ny teknolojia rehetra eto Madagasikara, hisy ihany koa ny resaka fampianarana amin’ny alalan’ny teknolojia, ny kirakira, ary ireo mpifaninana isan-tokony amin’ny tetikasa tokony hitondra fivoarana.

Karazan-javatra maro no hita ao toy ny varotra samihafa, ny fanarenana izay lavo, izany hoe ireo matériel simba na électroménager sns…satria hisy fanamboarana izany mandritra io salon io. Ny tanjona ho tratrarina, raha ny fanazavana dia ny fampivondronana ireo teknolojia eto Madagasikara. 50 ireo mpandray anjara mandritry ny hetsika ary, 3000 Ariary kosa ny vidim-pidirana ho an’ny rehetra.

Miora Razafindramanitra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *