Tsy manana liseam-panjakana ny kaominina Ambohidrabiby. Voatery mandeha any amin’ny kaominina manodidina ireo mpianatra. Nikambana tamin’ny kaominina Talatanivolonondry i Ambohidrabiby teo aloha. Nanomboka ny taona 2015 izy vao lasa kaominina. Continuer la lecture
Auteur lynda
TAOM-BAOVAO MALAGASY: Mirodorodo ny vahiny
Nanamarika ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy ny taranaka Ambohidrabiby. Teny amin’ny rova an’Ambohidrabiby ny alatsinainy 19 martsa 2018 no nanatanterahina izany. Tonga nanotrona ity fomba Malagasy ity ny Ambasadaorin’Indonezia. Continuer la lecture
FIHAONANA ARA-TOEKARENA : Hamahana ny sakana
Hodinihina mandritra ny « forum économique de Madagascar » andiany voalohany ny paika ady ahafahan’i Madagasikara mahaleo tena ara-bola. Continuer la lecture
PMU Madagascar: Tsy nahita rirany tany amin’ny fitsarana frantsay
Nitory ny « PMU France » tany amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany any Paris ny « PMU Madagascar ». Nangataka onitra enina tapitrisa euros ihany koa ity orinasa mpampilalao amin’ny alalan’ny hazakaza-tsoavaly eto Madagasikara ity. Continuer la lecture
FIHARIAN-KARENA: Mahavita azy ny vehivavy
Vehivavy avy amin’ny faritra 22 mampiranty sy mivarotra ny vokatry ny tany, ny asan-tanana mampiavaka ny faritra tsirairay. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ity hetsika « vohitra kanto fihary », eny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ity. Continuer la lecture
HOMAMIADANA MPAHAZO NY VEHIVAVY: Voasoroka rehefa fantatra mialoha
Tonga eto Antananarivo ny fiara “Luisa” hanao fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Mandritra ny enina andro, handalo eny amin’ny fokontany Ambatoroka, Andohan’i Mandroseza, Antanimora, Manakambahiny ity fiaran’ny “Fondation Akbaraly” ity. Manomboka ny alatsinainy 12 ka hatramin’ny 17 martsa ny hetsika. Continuer la lecture
ZARIDAINA ANOSY : Notolorana tamin’ny fomba ofisialy
Androany 07 martsa 2018, nandeha nijery ifotony ny zaridaina eny Anosy sy Mahamasina ny Filoham-pirenena Malagasy, Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Nanaraka azy teny ny mpikambana ao amin’ny governemanta vitsivitsy sy ireo olom-panjakana. Continuer la lecture
HERISETRA AO AN-TOKANTRANO: Nandray fitarainana 1500 isa ny Trano Aro Zo
Vehivavy avokoa ny 80 % ny olona tonga manao fitarainana noho ny herisetra mahazo azy ao an-tokantranony. Ho an’ny taona 2017, naharay taratasy fitarainana 2061 ny “clinique judiciaire Trano Aro Zo”, etsy Andohatapenaka. Continuer la lecture
MPANAO GAZETY VEHIVAVY: Hanao fihaonam-be
Hanamarika ny fetin’ny 8 martsa ny vehivavy mpanao gazety Malagasy . Eny amin’ny dobo filomanosana « complexe Ampefiloha » no hiara-hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izy ireo. Continuer la lecture
FIFANKATIAVAN’NY NY MALAGASY AMIN’NY SINOA: “Samy mitaiza ny hadalany”
Mpanao gazety Malagasy miisa roam-polo nahazo fiofanana momba ny “andraikitry ny mpanao gazety amin’ny sehatry ny toe-karena”. Ny fikambanan’ny fifankatiavan’ny Malagasy amin’ny firenena Sinoa no nanome ny fiofanana izay notontosaina omaly 22 febroary 2018. Continuer la lecture


