Socio-eco

FIHARIAN-KARENA: Mahavita azy ny vehivavy


Vehivavy avy amin’ny faritra 22 mampiranty sy mivarotra ny vokatry ny tany, ny asan-tanana mampiavaka ny faritra tsirairay. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ity hetsika « vohitra kanto fihary », eny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ity. Hatramin’ny alahady 11 martsa 2018 ny varotra fampirantiana. Ny “Mada Vision” no nandray an-tanana ny fikarakarana ny hetsika ary maimaim-poana ny fidirana.
“Miainga amin’ny asantsika vehivavy ny fampiroboroboana ny ankohonana. Manana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina sy eo amin’ny firenena ihany koa isika vehivavy”. Io no ampahan’ny lahatenin’ny ministry ny fampananan’asa, ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, TOTO RAHARIMALALA Marie Lydia nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialin’ny « vohitra kanto fihary » omaly 08 martsa 2018. “Politikan’ny fanjakana ny manamora ny fahaiza-manaon’ny vehivavy mba ho tonga kitro hifaharan’ny fampandrosoana “, hoy hatrany ny ministra. Santionany izao hetsika izao.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *