Socio-eco

HERISETRA AO AN-TOKANTRANO: Nandray fitarainana 1500 isa ny Trano Aro Zo


Vehivavy avokoa ny 80 % ny olona tonga manao fitarainana noho ny herisetra mahazo azy ao an-tokantranony. Ho an’ny taona 2017, naharay taratasy fitarainana 2061 ny “clinique judiciaire Trano Aro Zo”, etsy Andohatapenaka. Herisetra atao amin’ny vehivavy ao an-tokantrano toy ny vono sy ratra hiniana, fanolanana, tsy fanomezan’ny lehilahy vola… ny 1500 dosie tamin’ireo. Ny fahamamoana, fifohana zava-mahadomelina, ny tsy fahampiana ao an-trano no tena mahatonga ny lehilahy mamono ny vadiny. Tranga fahita mahatonga ny herisetra ihany koa ny fahakizitinan’ny vehivavy. Amin’ny maha mpanelanelana ny Trano Aro Zo, mandravina ny disadisa manoloana ny olana azo hanaovana fampihavanana izy tahaka ireo fitarainana voalaza eo ambony ireo. “ Rehefa vita ny fanadihadiana ny olona iharan’ny herisetra, mampiantso ny tompon’antoka tamin’izany izahay. Hampifanatrehana ny roa tonta ka atao izay hihavanan’izy ireo. Tsy manery azy ireo hihavana anefa izahay fa manana safidy ny mpitaraina raha hampiakatra ny raharaha eny amin’ny tribonaly”, hoy ny tomponandraikitra iray ao Trano Aro Zo, Didier Randrianaivo.

Manao fifanarahana

Matetika mijanona amin’ny fampihavanana ny raharaha raisin’ny Trano Aro Zo an-tanana. Na dia niharan’ny vono sy ratra aza ramatoa dia manaiky ny hihavana amin-drangahy vadiny. Manao fifanarahana kosa anefa ny roa tonta mba hisorohana ny fiverenan’ny herisetra ao an-tokantrano . “Atao an-tsoratra ny fifanarahana, manasonia izany ny roa tonta. Manamarina izany ny Trano Aro Zo avy eo. Raha misy mandika ny fifanarahana ny iray dia miakatra fitsarana avy hatrany raharaha”, hoy hatrany ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ankoatra ny olana ara-panambadiana, mandray fitarainana momba ny lova, fandovana, zon’ny ankizy, olana arak’asa, fifampivarotana, olana ara-piarahamonina ihany koa ny Trano Aro Zo. Mandravina ny raharaha sy mampahafantatra ireo zo aman-dalana manodidina ny olana ihany koa izy.
Lynda A.


2 comments on “HERISETRA AO AN-TOKANTRANO: Nandray fitarainana 1500 isa ny Trano Aro Zo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *