Socio-eco

FIFANKATIAVAN’NY NY MALAGASY AMIN’NY SINOA: “Samy mitaiza ny hadalany”


Mpanao gazety Malagasy miisa roam-polo nahazo fiofanana momba ny “andraikitry ny mpanao gazety amin’ny sehatry ny toe-karena”. Ny fikambanan’ny fifankatiavan’ny Malagasy amin’ny firenena Sinoa no nanome ny fiofanana izay notontosaina omaly 22 febroary 2018. Anisany nampiofana azy ireo ny fahaizana mampita ny vaovao ara-toekarena amin’ny mpamaky na ny mpihaino na ny mpijery ny filohan’ny holafitry ny mpanao, Gérard Rakotonirina. Nampahafantatra azy ireo ny olana sedrain’ny mpanao gazety mitrandraka vaovao ara-toekarena ihany koa ny tenany. “Sarotra ny fahazoana loharanom-baovao amin’ny sehatry ny toekarena. Lasa afangaron’ny mpandraharaha amin’ny fiainana manokana ny fahazoana vaovao momba ny tombom-barotra sy ny tamberinandraikitra entin’ny orinasany”.

Mikatsaka tombontsoa

Fanamafisana ny fiarahamiasan’i Madagasikara amin’ny fanjakana sinoa ihany koa ny fiarahamiasa amin’ny mpanao gazety. Rehefa misy ny fiarahamiasa amin’ny firenena roa samihafa, samy mikatsaka ny tombontsoany avy ny firenena tsirairay. “Manana andraikitra hampita amin’ny vahoaka malagasy ny tombontsoa azon’ny firenena Malagasy amin’ny fiarahamiasa amin’ireo firenen-kafa ny mpanao gazety, tahaka ny fiarahamiasan’ny Sinoa amin’ny Malagasy”, hoy ny Filohan’ny fikambanan’ny fifankatiavan’ny Malagasy amin’ny firenena Sinoa, Johanesa Rakotonirina. Nilaza izy fa andraikitry ny fikambanana ny mananatra ireo tompona orinasa sinoa miasa eto Madagasikara ka mandika ny fifanarahana natao. Noho izany, “samy mananatra ny hadalany”.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *