Socio-eco

PMU Madagascar: Tsy nahita rirany tany amin’ny fitsarana frantsay


Nitory ny « PMU France » tany amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany any Paris ny « PMU Madagascar ». Nangataka onitra enina tapitrisa euros ihany koa ity orinasa mpampilalao amin’ny alalan’ny hazakaza-tsoavaly eto Madagasikara ity. Nivoaka ny didim-pitsarana ny 8 martsa 2018 ka nolavin’ny fitsarana ny fitorian’ny PMU Madagascar ary voaheloka handoa lamandy 5000 euros araka ny andinin-dalana ny « code de procédure civil », laharana faha-700 izy.
Noho ny fanapaha-kevitry ny « PMU France » hanome alalana ny « PMU Bet » hampilalao ny hazakaza-tsoavaly eto Madagasikara no antony ny fitorian’ny « PMU Madagascar ». Efa ho roam-polo taona anefa izany ny « PMU France » no nanome alalana ireo orinasa te hampilalao amin’ny hazakaza-tsoavaly frantsay araka ireo didy laharana 1650 sy ny 736. Tsy nahomby ny tetika hanatsaharana ny PMU Bet izay mpifaninana amin’ny « PMU Madagascar ».
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *