Socio-eco

MPANAO GAZETY VEHIVAVY: Hanao fihaonam-be


Hanamarika ny fetin’ny 8 martsa ny vehivavy mpanao gazety Malagasy . Eny amin’ny dobo filomanosana « complexe Ampefiloha » no hiara-hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izy ireo. Sambany teo amin’ny tantaran’ny asa fanaovan-gazety ity fihaonana ity satria voalohany amin’izao ireo andriambavilanitra mpanao gazety no hivondrona amin’ny toerana iray. « Efa misaotra sahady ny mpanohana ny hetsika  toy ny ministeran’ny tanora sy ny fanatajahantena, ny akademia nasionalin’ny fanatanjahantena, ny Sipromad, ny Star izahay mpikarakara”. Aorian’ny fiaraha-mifaly izay atao ny alakamisy 08 martsa 2018 manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva, tanjona ny hananganana fikambanana ara-dalana ho an’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara.
Fampiroboroboana
Niainga tamin’ny fampivondronana ireo vehivavy mpanao gazety manana kaonty “facebook” ho ao anaty “groupe” izao hetsika izao. “ Femmes journalistes de Madagascar” ny anaran’ny “groupe” ao amin’ny “facebook”. Efa 220 ny mpikambana ao amin’izao fotoana izao ary mpanao gazety misandrahaka manerana ny faritra. « Sehatra iray hampiroboroboana azy ireo amin’ny sehatry asa fanaovan-gazety izy ity ». Manentana ireo mbola tsy mpikambana hiditra ao anatin’izany.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *