Archives mensuelles janvier 2018


FJKM : Tsy afa-misaraka amin’ny tantaram-pirenena ny fiangonana


Ny volana Aogositra 2018 ny ivon’ny fankalazana ny jobily faha-50 taona ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Any Toamasina no hanantanterahina izany. Tian’ny komity mpikarakara ny faha-50 taonany FJKM sy ny ny fankalazana faha-200 taona nahatongavan’ny « London Missionary Society » (LMS) ampitaina amin’ny mpino FJKM sy ny vahoaka Malagasy fa tsy fanaovana fihetsiketsehana fotsiny ihany ny fankalazana ny jobily fa mila iainana sy ampiharina ny hevitra fonosiny. Continuer la lecture


PASITERA MAILHOL: Ny mpanao politika no mampahantra fa tsy ny mpitondra fivavahana


Voatonona tao anatin’ny horonan-tsary navoakan’i Luc Hervé tao amin’ny pejy “facebook” ny anaran’ireo mpitondra fivavahana malaza eto Madagasikara. Tao anatin’izany i pasitera Mailhol. Anisan’ireo nahazo tenin-dratsy sy ompa variraraka avy amin’ity mpikirakira “facebook” ity ny tenany fa manambaka vahoaka fotsiny amin’ny fivavahana. Continuer la lecture


Affaire des 70 000 euros : Le scandale judiciaire de trop


Une chose est sûre : le régime y perdra quelques (sinon plusieurs) ailes avec cette affaire de milliers d’euros de pots de vin qu’aurait versé un ressortissant français à des hauts responsables de la justice malgache pour s’évader de la maison centrale de Tsiafahy et prendre la large hors du territoire national malgache. L’affaire a été ébruitée par le très sérieux journal français « Le Parisien » qui a eu une interview exclusive avec l’homme en cavale.

Continuer la lecture


MINISTERAN’NY HARENA ANATY RANO SY NY JONO: Nampiditra 517 miliara Ariary tao ao amin’ny ny kitapom-bolam-panjakana


Nandray anjara 7% tamin’ny hari-karena faoben’i Madagasikara ny Ministeran’ny harena anaty sy ny jono ny taona 2017. Nambaran’ny Ministra Gilbert François, nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taona an’ny mpiasan’ny Ministera, tamin’ny 12 janoary 2018 fa tafiakatra hatramin’ny 517.370.000.000 Ariary ny vola azo avy amin’ny fanondranana any ivelany ny vokatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Continuer la lecture


CENI : 718.656 ny mpifidy eto Antananarivo renivohitra ao anaty lisi-pifidianana


Manana 20 andro ireo mpifidy tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana. Nambaran’ny Filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), Hery RAKOTOMANANA nandritra ny dinik’asa niarahana  tamin’ireo lehiben’ny fokontany sy ny lefitry ny lehiben’ny fokontany rehetra  ao anatin’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA), ny 11 janoary fa mbola afaka manoratra ny anarany eny amin’ny biraom-pokontany ireo mpifidy tsy mbola ao anatin’ny lisi-pifidianana hatramin’ny 31 janoary 2018. Continuer la lecture