Socio-eco

MINISTERAN’NY HARENA ANATY RANO SY NY JONO: Nampiditra 517 miliara Ariary tao ao amin’ny ny kitapom-bolam-panjakana


Nandray anjara 7% tamin’ny hari-karena faoben’i Madagasikara ny Ministeran’ny harena anaty sy ny jono ny taona 2017. Nambaran’ny Ministra Gilbert François, nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taona an’ny mpiasan’ny Ministera, tamin’ny 12 janoary 2018 fa tafiakatra hatramin’ny 517.370.000.000 Ariary ny vola azo avy amin’ny fanondranana any ivelany ny vokatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano.

Fahazoan-dalana

Nampitombo ny  fampidiriam-bola avy amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano ny fanomezan’ny Ministera fahazoan-dalana an’ireo indostria vaventy hanjono  ireo hazandranomasina  toy ny trondro , makamba, “thon”… Manodidina ny 73 izany fahazoan-dalana izany ary 85 kosa ho an’ny jono an-dranomamy  raha  tamin’ny herintaona. Fotoana nanaovana jery todika ny asa vitan’ny Ministera ny fifampiarahabana nahatratry ny taona natao teny Ivato.  Araka ny antontan’isa nomen’ny Ministra nandritra ny lahateniny fa 1.501 ny fahazoan-dalana hanangom-bokatra an-dranomasina ary 770 ho an’ny an-dranomamy.

Matihanina

Manana vina hanohy ny fanamafisana ny fahaiza-manao an’ireo mpanjono madinika ny Ministera. “Mba hamatihanina ireo mpanjono madinika 39.000 nahazo karatra maha mpanjono, hitohy hatrany ny fanomezana fanofanana azy ireo. Ao anatin’izany ny fomba fitehirizana ny hazandrano tsy ho simba mialoha ny hivarotana azy na handraisan’ireo mpanangom-bokatra azy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *