Socio-eco

CENI : 718.656 ny mpifidy eto Antananarivo renivohitra ao anaty lisi-pifidianana


Manana 20 andro ireo mpifidy tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana. Nambaran’ny Filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), Hery RAKOTOMANANA nandritra ny dinik’asa niarahana  tamin’ireo lehiben’ny fokontany sy ny lefitry ny lehiben’ny fokontany rehetra  ao anatin’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA), ny 11 janoary fa mbola afaka manoratra ny anarany eny amin’ny biraom-pokontany ireo mpifidy tsy mbola ao anatin’ny lisi-pifidianana hatramin’ny 31 janoary 2018. Aorian’io daty io, hamoaka lisi-pifidianana vonjimaika ny CENI. Araka ny fanazavana hatrany, rehefa voarafitra io lisitra vonjimaika io,  ho alefa eny amin’ny biraom-pokontany indray. « Ho an’ireo voasoratra ao anatin’ny lisitra, mila mijery ny mombamomba azy sao misy diso. Mbola afaka misoratra anarana ao anatin’ny boky fanisana vaovao  kosa ireo mpifidy mbola tsy voasoratra », hoy ny Lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fanomanana mialoha ny fifidianana.

10 tapitrisa

Raha ny tarehimarika navoakan’ny CENI nandritra ny dinik’asa natao teny Androhibe, niakatra 4,81 % ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy nanoratra ny anarany raha oharina amin’ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny volana aprily 2017.  Lasa 718.656 ny isan’ny mpifidy, ho an’ny boriborin-tany enina mandrafitra ny CUA, handray anjara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona 2018 ity. « Manana andraikitra amin’ny fanentanana ny mpifidy hanoratra ny anarany ny lehiben’ny fokontany. Ao anatin’izany ny fanentanana isan-tokantrano », hoy hatrany ny Filohan’ny CENI. Tanjona amin’izany ny ahatrarana ny  isan’ny mpifidy amin’ny fifidianana izay ho atao eo anelanelan’ny  25 novambra ka hatramin’ny  25 desambra 2018  ho 10 tapitrisa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *