Socio-eco

BEN’NY TANANAN’I BONGATSARA : « Sady haingon’ny lalam-pirenena no miaro ny fiovan’ny toetry ny andro ny hazo nambolena »


Efa fanao isan-taona ny fambolen-kazo  sady vinan’ny Prezidàn’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nomarihana tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny 8 Martsa 2021 teny amin’ny kaominina Bongatsara. KAOMININA BONGATSARA 4Manamorina ny lalam-pirenena faha-7  no nambolena ireo hazo Flamboyant efa lehibe miisa folo. « Iaraha-mahalala ny fahasimban’ny  tontolo iainana ankehitriny ka anisan’ny miady amin’ny fiovan’ny toetry ny andro ny fambolena ireo hazo ireo sady haingon’ny lalam-pirenena raha teo », hoy ny ben’ny tananan’ny Bongatsara, RABEARISOA Hanta . Zava-dehibe ihany koa anefa ny fikarakarana sy fanaraha-maso ireo hazo nambolena ireo izay  mitentina 200.000 Ariary ny vidin’ny iray amin’ity karazan-kazo ity. Noho izany dia nisy ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana Jesosy mamonjy amin’ny fikarakarana azy ireo satria manakaiky ny fiangonana no misy ireo hazo nambolena. Ankoatra io fambolena hazo manamorina ny lalam-pirenena faha-7 iny dia nisy ihany koa fambolena zanakahazo kininina miisa 500 teny amin’ny tendrombohitr’Andoharanobe, Fokontany Ambohibao mba ho fiarovana ny loharano.

Ankoatra izay dia nisy ny fanadiovana ny manamorina iny lalam-pirenena faha-7 iny sy nikarakarana ireo hazo efa nambolena tany aloha. Maniry avokoa ireo hazo nambolena tamin’izany fotoana izany ary niezahana nofenoina izany tamin’ity taona ity. Mamporisika ny olom-pirenena  tsy ankanavaka mba hamboly hazo araka izay azo atao ity  ben’ny tanana ity mba ho fanarenana ny tontolo iainana efa mihasimba.

Nomarihany  fa vehivavy miisa 100 ao anatin’ny fikambanana isan-karazany eny amin’ny kaominin’ny Bongatsara no nanao izao hetsika izao ho fanamarihana ny 8 Martsa.

Ra-Nirina

Sary :

Horonan-tsary :


One comment on “BEN’NY TANANAN’I BONGATSARA : « Sady haingon’ny lalam-pirenena no miaro ny fiovan’ny toetry ny andro ny hazo nambolena »

  1. Pingback: BEN’NY TANANAN’I BONGATSARA : « Sady haingon’ny lalam-pirenena no miaro ny fiovan’ny toetry ny andro ny hazo nambolena » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *