politique

PAOLO RAHOLINARIVO: Nahazo tso-drano tany amin’i pasitera Mailhol


Nisafidy ny hanohana kandida hafa indray i Paolo Raholinarivo Solonavalona raha toa ka talen’ny  fampielezan-kevitr’ i Mailhol ny tenany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. “Rehefa nandinika ny tetikasa IEM ny vondrona ahitana ireo mpanao politika,  teknisianina sy tsara sitrapo izay tarihiko dia vonona hampandàny an’ny kandida laharana faha-13”, hoy ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny anarany manokana ny 7 novambra 2018. Nametraka fepetra kosa anefa ity vondrona ity toy ny fiarovana ny gasy amin’ny taniny, fanaovana velirano hanafoanana ny asan-dahalo indrindra any amin’ny faritra Ihorombe, Anosy. Ao anatin’ny fepetra takian’i Paolo amin’ny kandida Andry Rajoelina ihany koa fanamboarana ny lalam-pirenena fahatelo mampitohy  an’Ihosy sy Faradofay rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Tsy adino ihany koa ny famahana ny olan’ny rano sy kere any Atsimo, fanomezana asa ho an’ny tanora ary ny fiarovana ny harena voajanahary mba hiteraka tamberina any amin’ny vahoaka.

Nambaran’i Paolo fa faritra tsy misy mpijery ireo voalaza etsy ambony ireo ka izany indrindra no hanohanan’izy ireo ny kandida laharana faha-13. “Ao anatin’ny velirano ny laharana faha-13 avokoa ireo fepetra ireo ka tsy ho sarotra aminy ny hanatanteraka izany”.  Hiezaka hampitombo ny salan’isan’ny kandida laharana faha-13 ity vondrona ity.

Lynda A.


One comment on “PAOLO RAHOLINARIVO: Nahazo tso-drano tany amin’i pasitera Mailhol

  1. Pingback: PAOLO RAHOLINARIVO: Nahazo tso-drano tany amin’i pasitera Mailhol - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *