politique

ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno


Tsy fiaraha-mitantana. Taorian’ny filan-kevitry ny Foibe MFM dia namoaka fehin-kevitra momba ny raharaha anatin’ny antoko sy ny raharaham-pirenena ireo mpizaika avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara. Ho an’ny raharaham-pirenena, manamafy ny MFM fa misy sakana ara-toetsaina, aram-pomba fiasa ny tsy nahafahan’ny firenena miroso ho an’ny amin’ny fampandrosoana ka nitarika faharatsiana teo amin’ny fari-piainan’ny Malagasy, fiverimberenan’ny krizy, ny fifandirana politika indrindra ny lafiny ny fifidianana izany. Manoloana izany dia milaza ny antoko fa azo tanterahina amin’ny alalan’ny latabatra boribory ny famahana ny olana eto amin’ny firenena ary vonona ny MFM hifampiresaka. “Heverin’ny MFM fa ny fananganana governemanta manana fahefana feno fa tsy fiaraha-mitantana, hanatanteraka andraikitra mazava tsara dia fanovàna sy fiovàna takian’ny firenena”, araka ny fehin-kevitra novakian’ny tomponandraikitry ny MFM misahana ny fifandraisana ivelan’ny antoko, Solohery Charles Hilaire, ny 01 martsa 2021. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko, Rakotovazaha Olivier fa Praiministra manana fahefana, manana zo hanangana ny mpikambana ao anatin’ny governemanta no takiana, toy ny nataon’i Tompokolahy Guy Willy Razanamasy sy  Ntsay Christian tamin’ny 2018. Nilaza ihany koa Rakotoniaina Pety, misahana ny raharaha anatin’ny antoko MFM fa “tsy azo ialàna ny fanovàna sy ny fiovana satria misy ny olana ara-drafitra, fomba fiasa sy ny politika maloto”. “Mila mifampiresaka ka governemanta hanatanteraka fanovàna, hiroso amin’ny lalam-panorenana vaovao, lalam-pifidianana vaovao izay vao miroso amin’ny fifidianana”, hoy izy. Miantso ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry ity antoko ity mba hiroso amin’ny fanatanterahina ireo fehin-kevitra ireo.

Lynda A.


One comment on “ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno

  1. Pingback: ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *