Feno 200 taona ny fiarahamiasan’i Madagasikara sy i Grande Bretagne. Ho fanamafisana hatrany izany fiarahamiasa izany dia manana anjara amin’ny vatsim-pianarana « chevening » ahafahana mianatra any amin’ireo oniversite britanika ny Malagasy. Continuer la lecture
Auteur lynda
FAHAVALO: Sarimihetsika mitantara ny hita sy re nandritra ny tabataba 1947
Dimy taona no nanatontosan’i Marie-Clémence Andriamonta-Paes ny horonantsary fanadihadiana “Fahavalo – Madagasikara 1947. Continuer la lecture
SPOKEN ENGLISH COURSE: Mihena 50 % ny saram-pianarana
Manome tolotra manokana ho an’ireo mpianatra avy nanala fanadinana bakalorea tamin’ny herinandro lasa teo ny Spoken English Course. Continuer la lecture
MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Hampivoatra ny sehatry ny lamaody
Dimy andro be izao no atokana hampisehoana ny talentan’ireo tanora vao misandratra sy efa manana traikefa momba ny lamaody. Continuer la lecture
IPAC: Hampiseho ny fahaiza-manaony eny amin’ny IKM
Mandray anjara amin’ny festival Madagascar fashion week Océan Indien ny IPAC. Ity ivon-toerana mampiofana arak’asa momba ny taovolo sy endrika amam-bika ity no hiantoka ny fikarakarana ny taovolo Malagasy haseho mandritra ny festival. Continuer la lecture
TANORA MIAVOTSE: Mahasalama ny osy zana-tany
Tsy hatahorana hiteraka diabeta ny fihinanana osy zana-tany. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fikambanana Tanora Miavotse avy ny Androy, Kalimahazo fa hena fotsy ary avy eto an-toerana ny osy zana-tany. Continuer la lecture
VOKA-PIKAROHANA: Trandrahina ho lasa famoronan’asa
Miditra amin’ny andiany faha-efatra ny « salon de la recherche au service de l’économie et de l’emploi ». Ny alakamisy 6 sy ny zoma 7 septambra 2018 eny amin’ny Esplanade an’ny Oniveriste Antananarivo no hanatanterahina izany. Continuer la lecture
FAHAZOANA LOHARANOM-BAOVAO: Hohamoraina
Manana vina hamolavola lalàna mifanandrify amin’ny fahazoana loharanom-baovao ny ministeran’ny serasera sy fifandraisana amin’ny andrim-panjakana. Continuer la lecture
FIZAFATO: Hitotorebika eny amin’ny ANS Ampefiloha
Zanak’i Toliara avy eto Antananarivo sy any amin’ny faritra maherin’ny 3000 no handrasana ho avy amin’ny fihaonamben’ny FIZAFATO rahampitso 28 jolay 2018. Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny fikambanan’ny zanaka ampielezan’ny faritany Toliara na FIZAFATO ity lanonana hotanterahina etsy amin’ny kianjan’ny ANS Ampefiloha ity, hoy ny birao nasionaly sy ny komity mpanomana ny fankalazana. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fety ka hifandimby hanafàna izany ireo mpanankato zanak’i Toliara. Hisy ny fizaràna nofon-kena mitam-pihavanana satria omby folo no hovonoina amin’io fotoana io.
Tolo-kevitra
Ny taona 1978 no nitsangana ny FIZAFATO. Fanabeazana ny olona hahay hifanampy no fototra ijoroan’ny fikambanana. Manoloana izany, miezaka hatrany ny FIZAFATO mitondra ny heviny eo anivon’ny fitondram-panjakana mba hampandrosoana ny faritra Atsimo. “Tsy miady amin’ny fanjakana izahay fa mangataka na mandroso hevitra kosa mba hahamety kokoa ny faritr’i Toliara”, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana, Maharante Jean de Dieu nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety androany 27 jolay 2018. Hevitra efa naroso ny fanajanonana ny fitaterana rano amin’ny alalan’ny kamiô. Ny fampiasana ny “pipeline” hitarihana ny rano no vahaolana hitan’ny fikambanana hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano any Atsimo.
OLONA VOAN’NY SIDA: Mitombo isaky ny telo minitra
Tanora miisa telopolo isaky ny ora iray no tratry ny tsimok’aretina VIH/SIDA ny taona 2017, araka ny tatitra nataon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny zaza sy ny vehivavy (UNICEF). Continuer la lecture


