Socio-eco

MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Hampivoatra ny sehatry ny lamaody


Dimy andro be izao no atokana hampisehoana ny talentan’ireo tanora vao misandratra sy efa manana traikefa momba ny lamaody. Ao anatin’ny festival Madagascar Fashion week Océan Indien ity hetsika ara-kolontsaina ity ary ny iarahan’ny fikambanana Jeunes Volontaires sy ny Ivon-toeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) manatontosa. Ny alatsinainy 24 ka hatramin’ny 28 septambra 2018 eny amin’ny IKM Antsahavola no hanatanterahana ny Madagascar Fashion week Océan Indien, andiany faha-efatra. Tsy misy ny vidim-pidirana mandritra ny efatra andro voalohany. Ny lamaody fitondra amin’ny andro mangatsiaka taona 2018-2019 no lohahevitra amin’ity andiany ity. “Singa iray ao anatin’ny kolontsaina ny lamaody. Entina hamoahana ny talentan’ireo tanora vao misandratra na efa manana traikefa momba ny asa famoronana ity hetsika ity”, hoy ny mpandrindra ny IKM, Henri Rasamison.
Tanjon’ny festival ny fampahafantarana ny asa rehetra mifandraika amin’ny lamaody fa indrindra ny fanomezana lanja ny asa famoronana ataon’ny Malagasy, hoy ny filoha mpanorina ny Madagascar Fashion week Océan Indien, Alexandre Rakotoson. Ankoatra ny fitafiana, ho hita eny an-toerana avokoa ireo kapitsopitsony miaraka amin’izany. Hiantoka ny fikarakarana ny taovolo Malagasy izay haseho mandritra ny “festival” ny ivon-toeram-piofanana arak’asa momba ny taovolo sy endrika aman-bika IPAC. Hisy ihany koa ny trnoa heva hampiranty ireo sekoly any ivelany mampiofana momba ny stylisme, modelisme, designer… Handray ny antontan-taratasy mirakitra ny mombamomba ireo liana amin’ny “hôtesse d’évènement” ihany koa ny mpikarakara hetsika IkalaPeta Company izay ao anatin’ny vondrona Olondia Corporation. Marihina fa entina hividianana fitaovan’ny mpianatra ho an’ireo zaza sahirana miisa 147 any Sainte-Marie, 23 any Beroroha, 32 any Manajary ary 47 any Toliara II ny vola azo amin’ny Madagascar Fashion week Océan Indien.

Lynda A.

Horonan-tsary


One comment on “MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Hampivoatra ny sehatry ny lamaody

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *