Socio-eco

OLONA VOAN’NY SIDA: Mitombo isaky ny telo minitra


Tanora miisa telopolo isaky ny ora iray no tratry ny tsimok’aretina VIH/SIDA ny taona 2017, araka ny tatitra nataon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny zaza sy ny vehivavy (UNICEF).  15 ka hatramin’ny 19 taona izy ireo ary tovovavy avokoa ny roa ampahatelony amin’io isa io. Raha atao ny kajy dia tanora iray isaky ny telo minitra no voan’ny SIDA. Tamin’ny taona lasa dia ankizy sy tanora latsaky ny 19 taona no matin’io areti-mandoza io. Nampahafantarina nandritra ny fivoriambe iraisampirenena momba ny SIDA tamin’ity herinandro ity ny tatitry ny UNICEF.

Mampatahotra

Ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra indrinda miaraka amin’ny olon-dehibe, ny fanaovana firaisana ara-nofo an-tery, ny tsy fahampian’ny hery hanaovana fifanarahana momba ny fananahana, ny fahantrana sy ny tsy fahampian’ny sampandraharaha manome toro-hevitra sy manao fitiliana no tena mampirongatra ny valan’aretina. Mampatahotra tokoa raha ny antontan’isa navoakan’ny UNICEF satria olona 1,2 tapitrisa manana salan-taona 15 ka hatramin’ny 19 taona no miaina miaraka amin’ny VIH tamin’ny 2017. “Tsy maintsy miasa isika ho an’ny tovovavy sy vehivavy sahirana ara-pivelomanana mba hanakanana azy ireo tsy hirona amin’ny fivarotana ny tena. Tsy maintsy mampahafantatra azy ireo ny fomba fifindran’ny aretina sy fomba fiarovana amin’izany isika”, hoy ny ambasadaorin’ny UNICEF, Angélique Kidjo. Ho fanamafisana amin’ny ady atao amin’ny SIDA dia miara-miasa amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny SIDA (ONUSIDA) hatrany ny UNICEF.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *