Socio-eco

IPAC: Hampiseho ny fahaiza-manaony eny amin’ny IKM


Mandray anjara amin’ny festival Madagascar fashion week Océan Indien ny IPAC. Ity ivon-toerana mampiofana arak’asa momba ny taovolo sy endrika amam-bika ity no hiantoka ny fikarakarana ny taovolo Malagasy haseho mandritra ny festival. Ny 24 ka hatramin’ny 28 septambra 2018 eny amin’ny IKm Antsahavola no hanantanterahana izany. Mpamorona lamaody mahery ny folo no handray anjara sy hampahafantatra ny asa tanany.
Mifanojo ny tarigetran’ny fikambanana Jeunes Volontaires izay mpikarakara Madagascar fashion week Océan Indien sy ny IPAC noho izy ireo samy manao asa soa sy manampy ny mpiara-mpiara-belona. “Izany indrindra no antony handraisanay anjara satria manokana fotoana hanaovana asa ihany koa izahay”, hoy ny filoha tale jeneralin’ny IPAC, Saholy Robilalao Rahantalivao. Feno 32 taona ny IPAC amin’izao fotoana izao ary efa anarivony ny mpianatra efa nivoaka tao. Miara-miasa amin’ny sekoly ambaratonga ambony any ivelany, mampiofana momba ny taovolo Jean Claude Aubry ihany koa ny IPAC. Toerana roa no ahitana azy dia eny 67 ha sy Ankadivato. Nambaran’ny filoha tale jeneraly fa lasa ataon’ny olona ho laharana faharoa ny fikarakarana taovolo sy endrika amam-bika kanefa mahavelona tsara raha atao asa fivelomana. Ilaina ihany koa hoy izy ny mandranto fahalalana momba ity sehatra satria mila fianarana ny zava-drehetra na eto an-toerana na any ivelany.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *